bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Joshua 12
Joshua 12
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
1
Mpanjaka roa no efa noresen’ny Israelita tany atsinanan’i Jôrdàna ka nobodoiny ny taniny, nanomboka hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnôna ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermôna, ary mahafaoka ny lohasahan’i Jôrdàna ilany atsinanana.
2
Ny voalohany dia i Sihôna, mpanjaka amôrita izay nonina tao Hesbôna: izy no nanjaka tamin’ny antsasaky ny lohasahan-driaka Arnôna hatreo Harôhera no midina, sy tamin’ny antsasaky ny faritany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny renirano Jabôka izay sisintanin’ny Hamônita;
3
azy koa ny lohasahan’i Jôrdàna ilay atsinanana, manomboka hatreo amin’ny farihin’i Genesareta any avaratra, ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty eo akaikin’i Bety-Jesimôta; ary tao atsimo kokoa dia azy ny faritany eo am-pototry ny havoana Pisgà.
4
Ny faharoa dia i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela; mpanjakan’i Basàna izy ary nipetraka tao Hastarôta na Edrehỳ.
5
Ny faritra nanjakan’i Hôga dia ireto avy: ny tendrombohitra Hermôna; i Salà, i Basàna manontolo tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy Mahekatita; ary farany ny antsasaky ny faritrany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Sihôna, mpanjakan’i Hesbôna.
6
Resin’i Mosesy sy ny Israelita ry i Sihôna sy i Hôga; ka ny taniny dia nomen’i Mosesy, mpanompon’ny TOMPO, ho lovan’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny antsasa-pokon’i Manase.
7
Avy eo i Josoa sy ny Israelita dia nandresy ireo mpanjaka teny an-dafy andrefan’i Jôrdàna, manomboka hatreo Bahala-Gada ao amin’ny lohasahan’i Libano any avaratra ka hatrany amin’ilay tendrombohitra ngazana miakatra ho any Sehira any atsimo. Nozarazarain’i Josoa izany tany izany ho fananan’ireo foko israelita sisa.
8
Isan’izany ny faritra be tendrombohitra, ny lemak’i Sefelà, ny lohasahan’i Jôrdàna, ny kisolosolo, ary ny taniefitra sy i Negeba any atsimo: ireo faritra ireo dia an’ny Hetita sy Amôrita, an’ny Kanahanita sy Perizita, ary an’ny Hivita sy Jebosita.
9
Ireto kosa ireo tanàna nisy mpanjaka resy: i Jerikao, i Hay akaikin’i Betela,
10
i Jerosalema, i Hebrôna,
11
i Jarmôta, i Lakisy,
12
i Heglôna, i Gezera,
13
i Debira, i Gedera,
14
i Hôrmà, i Harada,
15
i Libnà, i Hadolama,
16
i Makedà, i Betela,
17
i Tapoa, i Hefera,
18
i Afeka, i Sarôna,
19
i Madôna, i Hatsôra,
20
i Simrôna-Merôna, i Aksafa,
21
i Tahenàka, i Megidao,
22
i Kedesa, i Jôknehama any Karmela,
23
i Dôra eo amoron-tsiraka, i Gôima any Galilea,
24
ary i Tiritsà; ka 31 izany no isan’ireo mpanjaka rehetra ireo.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24