bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Joshua 20
Joshua 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Ary ny TOMPO dia nandidy an’i Josoa,
2
mba hilaza amin’ny Israelita hoe: –Fidio ny tanàna fialokalofana araka izay efa nampilazaiko an’i Mosesy taminareo.
3
Any no handosiran’izay mahafaty olona tsy nahy fa kisendrasendra, ka ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly faty.
4
Ary rehefa mandositra amin’ireo tanàna ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanazava amin’ireo loholona ao an-tanàna ny zava-niseho. Dia horaisin’ireo ho ao an-tanànany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.
5
Raha tàhiny manenjika azy ilay mpamaly faty, dia tsy hatolotr’ireo ho eo an-tanany ilay nahafaty olona satria kisendasendra no namelezany ilay namany fa tsy fankahalana azy mialoha.
6
Honina ao amin’io tanàna io izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita ary ambara-pahafatin’ny mpisorombe niasa tamin’izany andro izany. Dia hody ilay nahafaty olona ka hiverina an-tranony, any amin’ilay tanàna izay nialany fony izy nandositra.
7
Dia natokan’ny Israelita ireto tanàna ireto: i Kedesa any Galilea any amin’ny faritra havoan’i Naftalỳ; sy i Sekema, any amin’ny faritra havoan’i Efraîma; ary i Kiriata-Arbà (antsoina hoe koa Hebrôna) any amin’ny faritra havoan’i Joda.
8
Teny ampita atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao kosa dia ireto tanàna ireto no voafidy: i Betsera, any amin’ny taniefitra lembalemba, avy amin’ny fokon’i Reobena; sy i Ramôta any Gilehada, avy amin’ny fokon’i Gada; ary i Gôlana any Basàna, avy amin’ny fokon’i Manase.
9
Ireo tanàna ireo no natokana ho fialofana ho an’ny Israelita rehetra sy ny vahiny valovotaka ao aminy; any no handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy hovonoin’ny mpamaly faty izy ambara-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ny fiangonana israelita.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24