bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Micah 3
Micah 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 4 →
1
Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?
2
Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.
3
Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.
4
Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.
5
Izao no lazain’ny TOMPO ny amin’ireo mpaminany izay mpamitaka ny vahoakako: «Raha misy mahafoy hokepohiny, dia iantsoany ‹Fiadanana›. Fa izay tsy manome zavatra hataony am-bava kosa dia hananganany ady manokana.
6
Noho izany, foana ny fisehoam-pahitana fa ny alina no ho aminareo mpaminany mpamitaka. Foana koa ny fanambaràna ny ho avy fa ny haizina no hanarona anareo. Hilentika aminareo ny masoandro, ka ho maizina aminareo ny andro!»
7
Dia ho menatra ny mpaminany isehoam-pahitana, ary hangaihay ny mpanambara ny ho avy; hisarom-bava avokoa izy rehetra, satria tsy namaly azy intsony Andriamanitra.
8
Izaho kosa, noho ny Fanahin’ny TOMPO, dia feno tanjaka sy rariny ary herim-po, mba hanambara amin’ny taranak’i Jakôba ny helony, eny, mba hanambara amin’ny vahoakan’i Israely ny fahotany.
9
Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, henoinareo re izao: Halanareo fatratra ny rariny, ary avadikareo ny hitsiny rehetra.
10
Amin’ny fandatsahan-dra no anorenanareo an’i Tsiôna; amin’ny famoretana no anorenanareo an’i Jerosalema.
11
Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»
12
Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7