bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Micah 4
Micah 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 5 →
1
«Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempoli n’ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon’ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin’ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any.
2
Maro ny firenena hankany ka hilaza hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO, any an-tempolin’ilay Andriamanitr’i Jakôba. Hampianariny antsika ny lalana soritany, ka harahintsika izay atorony. Fa avy any Tsiôna no ivoahan’ny fampianaran’ny TOMPO; avy any Jerosalema no ipoiran’ny teniny.
3
Hitsara eo anivon’ny firenena maro Izy ary handresy lahatra ny firenena matanjaka, na ny akaiky na ny lavitra. Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny ary ny lefony ho antsy fijinjana. Tsy hifamely amin’ny sabatra ny asany firenena, ary tsy hianatra ady intsony.
4
Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony sy aviaviny ka tsy hisy hampahatahotra azy.» Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, no mampanantena izany.
5
Ny firenen-kafa rehetra samy mankato ny andriamaniny avy; fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika, mandrakizay doria.
6
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Amin’izany andro izany dia hangoniko indray ny saozanina, hovorîko indray izay niely sy nampahorîko.
7
Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery, ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka. Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy ao an-tendrombohitra Tsiôna, hatrizao ka ho mandrakizay.
8
Ary ianao, ry tendrombohitra Tsiôna izay mitsinjo ny vahoaka toy ny tilikambo fiambenana, haverina aminao ny fahefana taloha; ho renivohi-panjakana indray i Jerosalema.»
9
Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo, ry mponin’i Jerosalema? Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo? Sa maty ireo mpanolo-tsainareo no dia manaintaina toy ny vehivavy miteraka ianareo?
10
–Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina toy ny vehivavy miteraka, ry mponina ao Tsiôna! Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanàna ianareo ka hitoby any an-tsaha ary handeha hatrany Babilôna. Any no hanafahana anareo; any no hanavotan’ny TOMPO anareo avy eo am-pelatanan’ny fahavalonareo.
11
Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo ny firenena maro izay miteny hoe: «Aoka ho afa-baràka i Tsiôna ary aoka isika hijery ny faharavàny!»
12
Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry ny TOMPO, tsy takany ny fikasany, dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara ao am-pamoloana hivelezana azy.
13
«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»
14
Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo mba ho mariky ny fisaonana, ry mponin’i Jerosalema izay manangona ny andia-miaramilanareo; fa ataon’ny fahavalo fahirano ianareo, ary dia hokapohiny amin’ny tsorakazo ny takolan’ilay mpitsaran’i Israely.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7