bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Nahum 1
Nahum 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Izao no hafatra faminaniana momba ny tanànan’i Ninive, mitantara izay nasehon’Andriamanitra tamin’i Nahoma avy any Elkôsy.
2
Andriamanitra sarotiny sy mpanafay ny TOMPO. Manafay tokoa ny TOMPO ary mahatsiravina ny fahatezerany; eny, manafay izay manohitra Azy ny TOMPO, ary mirehi-kavinirana amin’ny fahavalony.
3
Tsy mora tezitra ny TOMPO, nefa lehibe ny heriny, ary tsy avelany ho afa-maina ny meloka. Tafio-drivotra mahery no amin’izay alehan’ny TOMPO; ny rahona no toy ny vovoka apariaky ny dian-tongony.
4
Teneniny mafy ny ranomasina dia tankina; ataony ritra avokoa ny ony rehetra. Tonga maina ny ahitr’i Basàna sy i Karmela, ary manjary malazo ny voninkazon’i Libàno.
5
Mihovitrovitra eo anoloany ny tendrombohitra, ary mihotsaka koa ny havoana; mihorohoro eo anatrehany ny tany, izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy.
6
Iza no mahajanona eo anoloan’ny fahavinirany? Ary zovy no mahatanty ny firehitry ny fahatezerany? Fa mihanaka toy ny afo ny fahatezerany; na dia ny vatolampy aza mitresaka eo anatrehany.
7
Fa tsara ny TOMPO, fialofana amin’ny andro mahory Izy. Izy no miahy izay mialoka aminy,
8
na dia tonga hanafotra aza ny loza. Fa potehiny kosa ny fahavalony ary alefany any amin’ny haizim-pahafatesana.
9
Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO? Fa handringana ny mpamoritra Izy, ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.
10
Tahaka ny tsilo misafotofoto ry zareo izay miboboka mandra-pahamamony ka ho levon’ny afo toy ny ahi-maina.
11
Avy tao aminao, ry Ninive, no nipoitra ilay misain-dratsy hanohitra ny TOMPO dia ilay lehilahy mpamorona hevi-poana.
12
Hoy ny TOMPO amin’ny vahoakan’i Joda: «Na dia maro sy matanjaka aza ny fahavalonareo, dia hanjavona tsy ho hitanareo intsony. Efa nampahory anareo Aho ka tsy hampahory intsony.
13
Ankehitriny dia homontsaniko ny ziogam -pahavalo mangeja anareo; ary hotapahiko ny gadranareo.»
14
Ny aminareo kosa, ry mponin’i Ninive, ny TOMPO dia efa nandidy hoe: «Tsy hisy taranaka hitondra ny anaranareo intsony. Hopotehiko ao an-tranon’andriamanitrareo ny sampy hazo voasikotra na metaly voarendrika. Manomana fasana ho anareo Aho, satria maivan-danja eo anatrehako ianareo.»
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3