bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Nahum 3
Nahum 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Lozanao, ry tanàna mpandatsaka ain’olona, mpanao hosoka sy fanambakana, ary tsy ialana fandrobana!
2
Injany re ao ny firefotry ny karavasy, ny firodorodon’ny kodiarana sy ny fikatrokatroky ny soavaly ary ny fitraitraikan’ny kalesy.
3
He, miantsambotra ny mpitaingin-tsoavaly, mamirapiratra ny sabatra, manjelanjelatra ny lefona! Betsaka ny maratra! Fatin’olona no miampatrampatra tsy hita isa sy mamingana hatraiza hatraiza!
4
Fatra-pijangajanga i Ninive, ilay mpivarotena bikana sy kinga amin’ny fanangolena, sady nangeja vahoaka sy firenena tamin’ny fijangajangana sy ny ody fitia.
5
Koa izao no teny hentitra ataon’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Indro hamely anao Aho. Haingaiko hatreny amin’ny tavanao ny moron-tongotr’akanjonao. Ka hasehoko miboridana amin’ny firenena sy fanjakana ianao ary hahita anao rakotra henatra ireo.
6
Dia hataoko mihosim-potaka ianao sy halako baràka ka higagan’ny olona.
7
Ary izay rehetra mahita anao dia handositra anao sady hiteny hoe: «Rava i Ninive! Iza intsony no hangoraka azy? Aiza no hahitana mpampionona azy?»
8
Moa va ianao, ry Ninive, tsara noho i Teba, ilay tanàna niorina teo anivon’ny ony Neily sady voadidin’ny ranobe toy ny manda miaro azy?
9
I Etiôpia sy i Ejipta no heriny tsy mety ritra ary ny vahoakan’i Pota sy ny Libianina no mpanampy azy.
10
Nefa na ny mponin’i Teba koa aza dia lasan-ko babo sy voasesitany. Ny zaza teo aminy dia novonoin-ko faty teny an-joron-dàlana rehetra teny, ny loholony notsinjaraina an-tsapaka, ary ny lehibeny rehetra nasiana gadra vy.
11
Anjaranao koa izao, ry Ninive, ny ho leom-pangirifiriana ka ho difotr’izany; anjaranao koa izao ny hitady fiafenana hialana amin’ny fahavalo.
12
Ny manda mafy rehetra anananao dia ho toy ny aviavy efa masa-boa; raha hohozongozonina ny fototra, dia hihintsana eo am-bavan’izay te hihinana azy.
13
Indro tonga osa toy ny vehivavy ny lehilahy eo aminao; ary midanadana ho an’ny fahavalonao ny vavahadin’ny taninao, satria kilan’ny afo ny hidiny.
14
Ry mponin’i Ninive, manangòna rano fa ho avy ny fahirano, hamafiso ny mandanareo; manditia tanimanga ho feta ka raiso ny lasi-biriky.
15
Fa ho faty kilan’ny afo sy ho ripaky ny sabatra ianareo; eny, ho levona tokoa ianareo, toy ny fandevon’ny valala ny ravina. Nivangongo tahaka ny voangory ny vahoakanao ary nifanaretsaka tahaka ny valala.
16
Nohamaroinao ny mpandrantonao ka mihoatra noho ny kintana eny amin’ny lanitra. Tahaka ny voangory àry elatra ireny ka lasa nanidina nanjavona.
17
Betsaka toy ny valala ny andriananao; ny mpiasam-panjakana ao aminao koa dia toy ny andiam-balala mivangongo eny amin’ny fefy nony mangatsiaka ny andro. Fa rehefa miposaka ny masoandro, dia lasa manidina ireny ka tsy fantatra izay nalehany.
18
Matory tsy hifoha intsony ireo filoham-paritaninao ry mpanjakan’i Asiria, ary miampatrampatra ireo jeneralinao. Mihahaka eny an-tendrombohitra ny tafikao, ka tsy misy mamory.
19
Tsy misy fanafany ny fangirifirianao ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao. Fa izay rehetra mahalala ny nanjò anao dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao, satria zovy moa no tsy nahita faisana noho ny habibiana mitohy nafitsokao?
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3