bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Psalms 78
Psalms 78
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 77
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 79 →
1
Tononkalo fananarana nataon’i Asafa. Henoy tsara ny fampianarako, ry mpiray firenena amiko; atongilano ny sofinareo amin’izay teny lazaiko.
2
Hisoka-bava hanao fanoharana aho ka hanatsoaka lesona avy amin’ny fahiny.
3
Izay efa renay sy fantatray satria notantarain’ireo razantsika taminay,
4
dia tsy hafeninay amin’ny zanakay koa; eny, hampitainay amin’ny taranaka ho avy ny zavatra tokony hiderana ny TOMPO ary koa ny asa mahery sy mahagaga nataony.
5
Nampijoro fitsipika ho an’ny vahoakany Izy ary nametraka lalàna teo amin’i Israely, ka nandidy ny razantsika mba hampianatra izany tantara izany amin’ireo zanany.
6
Amin’izay ny taranaka ho avy, izany hoe ireo zaza mbola hateraka, dia hahafantatra ihany koa ka hijoro hampita amin-janany,
7
mba hahatonga azy hatoky an’Andriamanitra ka tsy hanadino ny asa mahery nataony fa hitandrina kosa ny didiny.
8
Amin’izay ireto tsy hanahaka ireo razany izay taranaka naditra sy nikomy, taranaka nanana fo niovaova sy fanahy tsy natoky an’Andriamanitra.
9
Ny olona tao amin’ny fokon’i Efraîma, izay nirongo tsipîka sy zana-tsipîka, dia nandositra tamin’ny andro fiadiana:
10
Tsy nitandro ny fanekempihavanana nifanaovany tamin’Andriamanitra izy, fa tsy nety hanaraka ny lalànany;
11
hadinon’ireo ny asa mahery nataony sy ny zava-mahagaga efa nasehony taminy.
12
Tany Ejipta, tao amin’ny faritr’i Tsôhàna, teo anatrehan’ireo razany mihitsy no nanaovan’Andriamanitra zava-mahagaga:
13
nosarahiny ny ranomasina mba hampitany azy ireo, nasainy nivangongo ny rano ho tahaka ny fefiloha;
14
Andry rahona no nitarihany azy tamin’ny antoandro ary ny hazavan’ny afo nandritra ny alina.
15
Namaky vatolampy tany an-taniefitra Izy, ka nampisotro azy tamin’ny loharano nitosaka avy any amin’ny fanambanin’ny tany;
16
rano mandriaka no navoakany avy amin’ny harambato ka nataony nikoriana tahaka ny renirano.
17
Kanjo nanohy ny fahotany ihany ireo ka nikomy tamin’ilay Avo Indrindra, tao amin’izany tany karankaina izany.
18
Sahy nihantsy an’Andriamanitra aza izy, ka nangataka izay hanina nahaliana azy;
19
niteny ratsy an’Andriamanitra ireo, raha nanao fanontaniana hoe: «Andriamanitra ve afaka hanome sakafo hohanintsika atỳ an-taniefitra atỳ?
20
Marina fa nikapoka vatolampy Izy ka nampigororoana rano avy ao hanjary riaka mibosasaka. Saingy ho hainy ve ny hanome mofo na hamatsy hena ny vahoakany?»
21
Nandre izany ny TOMPO ka nisafoaka tamin’ireo taranak’i Jakôba; nirehitra toy ny afo ny hatezerany ka namely ny Israelita,
22
satria tsy nino Azy akory ireo sady tsy natoky ny famonjeny.
23
Nefa nandidy ny rahona avy any ambony Izy, ka nanokatra ny varavaran’ny lanitra;
24
dia nandrotsahany ny mana ireo ho sakafony, vary avy any an-danitra no nomeny azy.
25
Mofon’ny mahery no nohanin’ny olona efa osa, fa nandefasany vatsy mahavoky izy.
26
Nataon’Andriamanitra nifofofofo teny an-danitra ny rivotra avy any atsinanana; ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
27
Dia nandatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka ireo ary voro-manidina marobe toy ny fasi-dranomasina;
28
teo anivon’ny tobiny no nandatsahany azy, teny manodidina ny tranolainy teny.
29
Dia nihinana izy rehetra ka voky tokoa, satria izay nirîny dia nomen’ny Tompo azy;
30
kanefa mbola tsy afa-po ihany ireo, na dia mbola feno aza ny vavany.
31
Koa nirehetan’ny fahatezeran’Andriamanitra izy: dia nahafatesany tamin’ireo matanjaka, nataony ripaka ny zatovo israelita.
32
Na teo aza izany rehetra izany, dia mbola nanota ihany ireo; ary na teo aza ny zava-mahagaga nataony, dia tsy natoky an’Andriamanitra izy.
33
Koa indray mitsoka monja no nandevonany ny fisiany; ary tamin’ny loza tampoka no nanaperany ny taonany.
34
Fa raha naringana izy, dia nitady an’Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;
35
tsaroany fa Andriamanitra no vatolampiny, Andriamanitra Avo Indrindra no mpanavotra azy.
36
Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin’ny Tompo ireo;
37
tsy niraiki-po taminy izy ary tsy natoky ny fanekempihavanana izay nifanaovany taminy.
38
Be indrafo anefa Andriamanitra ka namela ny hadisoany ary tsy nandringana azy; nahatsindry hatezerana Izy ary nampitony fahavinirana.
39
Tsaroany fa osa sy malemy ireo tsio-drivotra mandalo ka tsy hiverina intsony.
40
Impiry impiry akory moa ireo no efa nikomy taminy tany an-taniefitra ka nampahatezitra Azy tany an-tany foana!
41
Fa nikiry nihantsy an’Andriamanitra izy ka nampalahelo an’ilay Masin’i Israely.
42
Nohadinoiny ny hery nasehony fony Izy nanafaka azy tamin’ny mpampahory,
43
ka nanao famantarana tany Ejipta sy zava-mahagaga teo amin’ny faritr’i Tsôhàna:
44
novany ho ra ny rano teny an-dakandrano ka tsy azon’ny Ejiptianina nosotroina intsony;
45
nalefany hitsentsitra azy ireo ny fihitra ary hanimba zavatra ny sahona;
46
nomeny hohanin’ny sompanga ireo vokatry ny taniny ary hohanin’ny valala ny valin-kasasarany;
47
naripany tamin’ny havandra ny voalobony sy tamin’ny fanala ny aviaviny;
48
natolony hasian’ny havandra ny biby fiompiny sy hasian’ny varatra ny omby aman’ondriny.
49
Nozeràny fahatezerana mirehitra ny Ejiptianina, dia fahavinirana sy fisafoahana ary fampahoriana izay toy ny andian’iraka tonga hitondra loza.
50
Namparin’Andriamanitra ny fahatezerany, ka tsy narovany tamin’ny fahafatesana ireo fa natolony velona ho azon’ny areti-mandringana;
51
novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, dia ireo santatry ny hery tamin’ny ankohonan’ny terak’i Hama.
52
Ny vahoakany kosa nafindrany toy ny ondry ary notarihiny toy ny andiany tany an-taniefitra;
53
nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra, fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.
54
Nentiny ho any amin’ny tany masina ny vahoakany, teo amin’ilay tendrombohitra izay azony tamin-kery;
55
noroahiny ny firenen-kafa teo anoloany, nozarainy antsapaka ho azy ny taniny; ka ny tranon’ireo firenen-kafa ireo ihany no nampitoerany ny fokon’i Israely.
56
Nefa nihantsy an’Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy sy nandika ny didiny;
57
nihemotra sy nivadika toy ireo razany izy, eny, nisampotina toy ny tsipîka manody.
58
Nampahatezitra ny Tompo izy tamin’ireo toeram-panasinany sady nankasiaka mafy Azy tamin’ny sarivongan’andriamani-tsiizy.
59
Nahatsapa izany Andriamanitra, dia nisafoaka; ka nariany tanteraka ny Israelita,
60
nilaozany ny fonenany tao Silao, dia ny tranolay nitoerany teo amin’ny olona.
61
Ary ny Vatamasina maneho ny heriny sy voninahiny dia nafoiny ho voababon’ny fahavalo.
62
Natolony ho fatin-tsabatra ny vahoakany, fa nahatezitra Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.
63
Kilan’ny afo ireo zatovolahiny; noho izany ireo zatovovaviny dia tsy nanaovana hiram-pampakarana;
64
matin-tsabatra ireo mpisorony, ary tsy afaka nisaona azy akory ireo vehivavy mpitondratenany.
65
Dia nifoha ny Tompo toy ny avy natory, tahaka ny mpiady maherifo notairin’ny divay.
66
Nasiany teo ivoho ireo fahavalony ka nataony afa-baràka mandrakizay.
67
Nariany ny taranak’i Jôsefa: tsy nofidiny ny fokon’i Efraîma,
68
fa ny fokon’i Joda no voafidiny ary ny tendrombohitra Tsiôna no maminy;
69
teo no nanorenany ny tempoliny ho avo toy ny lanitra ambony ary ho mafy tahaka ny tany izay najorony ho mandrakizay.
70
Dia nofidiny i Davida mpanompony ka nalainy avy tany an-kijàna;
71
teo am-piandrasana reniondry mampinono izy no nampanalainy mba hiandry ny olony, dia ireo taranak’i Jakôba na ny vahoaka Israely izay efa voatokana ho fananany.
72
Tamin’ny fo mahitsy no nikarakaran’i Davida azy ary tamim-pahakingana no nitarihany azy.
← Chapter 77
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 51
Chapter 52
Chapter 53
Chapter 54
Chapter 55
Chapter 56
Chapter 57
Chapter 58
Chapter 59
Chapter 60
Chapter 61
Chapter 62
Chapter 63
Chapter 64
Chapter 65
Chapter 66
Chapter 67
Chapter 68
Chapter 69
Chapter 70
Chapter 71
Chapter 72
Chapter 73
Chapter 74
Chapter 75
Chapter 76
Chapter 77
Chapter 78
Chapter 79
Chapter 80
Chapter 81
Chapter 82
Chapter 83
Chapter 84
Chapter 85
Chapter 86
Chapter 87
Chapter 88
Chapter 89
Chapter 90
Chapter 91
Chapter 92
Chapter 93
Chapter 94
Chapter 95
Chapter 96
Chapter 97
Chapter 98
Chapter 99
Chapter 100
Chapter 101
Chapter 102
Chapter 103
Chapter 104
Chapter 105
Chapter 106
Chapter 107
Chapter 108
Chapter 109
Chapter 110
Chapter 111
Chapter 112
Chapter 113
Chapter 114
Chapter 115
Chapter 116
Chapter 117
Chapter 118
Chapter 119
Chapter 120
Chapter 121
Chapter 122
Chapter 123
Chapter 124
Chapter 125
Chapter 126
Chapter 127
Chapter 128
Chapter 129
Chapter 130
Chapter 131
Chapter 132
Chapter 133
Chapter 134
Chapter 135
Chapter 136
Chapter 137
Chapter 138
Chapter 139
Chapter 140
Chapter 141
Chapter 142
Chapter 143
Chapter 144
Chapter 145
Chapter 146
Chapter 147
Chapter 148
Chapter 149
Chapter 150
Chapter 79 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50
51
52
53
54
55
56
57
58
59
60
61
62
63
64
65
66
67
68
69
70
71
72
73
74
75
76
77
78
79
80
81
82
83
84
85
86
87
88
89
90
91
92
93
94
95
96
97
98
99
100
101
102
103
104
105
106
107
108
109
110
111
112
113
114
115
116
117
118
119
120
121
122
123
124
125
126
127
128
129
130
131
132
133
134
135
136
137
138
139
140
141
142
143
144
145
146
147
148
149
150