bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ruth 3
Ruth 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
1
Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota: –Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.
2
Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina.
3
Koa mandroa ianao, mihosora zava-manitra, dia anaovy ny akanjonao tsara indrindra; avy eo dia midina any am-pamoloana, kanefa aza atao fantatr’i Bôhaza akory izany raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4
Rehefa handeha handry izy, dia fantaro ny toerana izay handriany; ary mankanesa eo, ka sokafy kely ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo; fa izy mihitsy no hanoro anao izay hataonao.
5
Dia hoy i Rota tamin’i Nahômỳ: –Hataoko avokoa izay nolazainao tamiko.
6
Dia nidina nankany am-pamoloana izy ary nanao araka izay rehetra nodidian-drafozany azy.
7
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bôhaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin’ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr’i Bôhaza ka nandry teo.
8
Ary nony tamin’ny sasak’alina, dia taitra ralehilahy ary niondrika hijery, ka gaga dia gaga nahita vehivavy iray mandry eo an-tongony.
9
Dia nanontany i Bôhaza hoe: –Fa iza moa ianao? Dia novaliany hoe: –Izaho Rota ihany ity, tompoko! Mba raiso ho eo ambany fiarovanao aho satria ianao no havana mahavotra ahy.
10
Dia hoy i Bôhaza hoe: – Hotahin ’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.
11
Koa ankehitriny, aza matahotra ianao, fa izay rehetra lazainao dia hataoko ho anao satria fantatry ny olona rehetra eto an-tanàna, fa vehivavy mendri-kaja ianao.
12
Marina tokoa fa izaho dia havana mahavotra anao, kanefa mbola misy havana akaiky kokoa noho izaho mahavotra anao.
13
Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.
14
Dia natory teo an-tongotr’i Bôhaza ambara-paharainan’ny andro i Rota, kanefa nifoha raha mbola maizimaizina tsy ahafantaran’olona iny. I Bôhaza manko nanao anakampo hoe: «Tsy tokony hisy hahalala fa tonga tatỳ am-pamoloana ravehivavy!»;
15
ka hoy izy tamin’i Rota: –Ento etỳ iny lamba itafianao iny, ary hazony tsara. Rehefa nataony izany, dia nofenoin’i Bôhaza vary ôrza 15 kilao ka nampitondrainy azy. Dia lasa nody tany an-tanàna i Rota;
16
ary nony tonga tany amin’ny rafozambaviny izy, dia nanontaniany hoe: –Nanao ahoana ianao tany, anaka? Dia notantarain’i Rota azy avokoa izay nataon’i Bôhaza taminy,
17
sady niteny koa izy hoe: –Nomeny ireto vary ôrza 15 kilao ireto aho, fa hoy izy tamiko: «Aza miverina mitondra tanam-polo mody fotsiny any amin’ny rafozambavinao!»
18
Dia hoy i Nahômỳ hoe: –Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4