bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Ruth 4
Ruth 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
1
Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe: –Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto. Dia nanatona izy, ary nipetraka.
2
Dia naka folo lahy tamin’ny loholona tao an-tanàna i Bôhaza, ka nanao hoe: –Mipetraha eto ianareo. Ary rehefa nipetraka ireo,
3
dia hoy i Bôhaza tamin’ilay havana mahavotra: –Vidio ny saha izay an’i Elimelèka izay havantsika fa amidin’i Nahômỳ izao izy tafaverina avy tany amin’ny faritr’i Môaba izao.
4
Tapa-kevitra aho manko fa hampandre anao mba hampividy anao azy eo anatrehan’ireo olona manatrika eto sy ireo loholona. Koa raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tsy hanavotra ianao, dia ambarao ahy ho fantatro, satria tsy misy afa-tsy ianao no tokony hanavotra ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy ny navaliny hoe: –Izaho no hanavotra!
5
Dia hoy kosa i Bôhaza: –Amin’ny andro ividiananao ny saha eo an-tanan’i Nahômỳ, dia halainao ho vady koa i Rota vehivavy môabita mba hamelo-maso ny anaran’ny maty eo amin’ny lovany.
6
Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.
7
Fa taloha, tany Israely, raha misy manavotra lova na mifanakalo fananana, dia esorin’ny olona ny kapany ka omeny ny namany, mba hanamafy ny faharaiketan’ny raharaha. Tany Israely dia izany no antoka fa raikitra ny raharaha.
8
Ka ilay havana mahavotra, raha niteny tamin’i Bôhaza hoe «Vidio ho anao izany», dia nanaisotra ny kapany sy nanome azy an’i Bôhaza.
9
Tamin’izany dia hoy i Bôhaza tamin’ny loholona sy ny vahoaka rehetra: –Ianareo no vavolombelona manatri-maso androany fa efa novidiko teo an-tanan’i Nahômỳ izay rehetra an’i Elimelèka sy izay rehetra an’i Kiliôna sy i Mahalôna;
10
miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.
11
Dia hoy ireo vahoaka rehetra izay teo am-bavahady sy loholona hoe: –Eny, vavolombelona manatri-maso izahay. Hotahin ’ny TOMPO anie ity vehivavy izay hankao an-tranonao, ka ho tahaka an-dRahely sy i Lea fa izy roa vavy no niavian’ny vahoaka Israely; hataony manan-karena eo amin’ny Efratîta anie ianao, ary halaza eran’i Betlehema anie ny anaranao!
12
Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!
13
Dia nampakarin’i Bôhaza ho vadiny i Rota. Niray tamin’i Rota izy; ary nambinin’ny TOMPO ravehivavy ka bevohòka, dia niteraka zazalahy.
14
Dia hoy ireo vehivavy tao Betlehema tamin’i Nahômỳ: –Hisaorana anie ny TOMPO fa tsy navelany tsy hanan-kavana mahavotra ianao ankehitriny! Halaza eo amin’i Israely anie ny anaran’ny zafinao!
15
Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.
16
Dia nandray ny zaza i Nahômỳ ka namihina azy teo an-tratrany, ary lasa mpitaiza azy.
17
Ny vehivavy mpiara-monina kosa no nanome ny anarany, fa hoy ireo hoe: «Zazalahy no naterak’i Rota ho an’i Nahômỳ!»; koa ny anarany dia nantsoin’ireo hoe Hôbeda: Izy no rain’i Jisay izay rain’i Davida.
18
Izao no taranak’i Peretsa: i Peretsa no ray niteraka an’i Hetsirôna,
19
i Hetsirôna, ray niteraka an’i Rama; i Rama, ray niteraka an’i Haminadaba;
20
i Haminadaba, ray niteraka an’i Nahasôna; Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna;
21
i Salmôna, ray niteraka an’i Bôhaza; i Bôhaza, ray niteraka an’i Hôbeda;
22
i Hôbeda, ray niteraka an’i Jisay; ary i Jisay no ray niteraka an’i Davida.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
All chapters:
1
2
3
4