bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Esther 6
Esther 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 7 →
1
Tamin’iny alina iny dia tsy nahita tory ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ny mpanjaka izany.
2
Koa indro, voasoratra tao fa i Mordekay no niampanga an’i Bigtana sy i Taresy; izy roa lahy ireo dia isan’ny ionòkan’ny mpanjaka sady mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’i Ahasoerosy mpanjaka.
3
Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratam-boninahitra mba efa nomena an’i Mordekay noho izany? Fa hoy ny mpanompon’ny mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy!
4
Ary hoy ny mpanjaka: Iza izao ao an-kianja ao izao? I Hamana no tonga tao an-kianja ivelan’ny tranon’ny mpanjaka tamin’io fotoana io indrindra mba hiteny amin’ny mpanjaka ny amin’ny hanantonana an’i Mordekay amin’ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
5
Hoy ny mpanompon’ny mpanjaka taminy: Indro i Hamana no mijoro ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaivo miditra izy!
6
Dia niditra i Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary hoy i Hamana anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ny mpanjaka homem-boninahitra raha tsy izaho?
7
Koa hoy i Hamana tamin’ny mpanjaka: Ny amin’izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra,
8
dia aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ny mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany;
9
dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tanan’izay ambony indrindra amin’ny mpitondra voatendrin’ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ny soavaly. Dia hoentina eo amin’ny kianjan’ny tanàna izy ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!
10
Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Hamana: Haingàna ary, alaivo ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao ka ataovy araka izany amin’i Mordekay jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin’ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11
Dia nalain’i Hamana ny akanjo sy ny soavaly ka nampiakanjo an’i Mordekay izy ary nampitaingina azy tamin’ny soavaly; dia nitondra azy ho eny amin’ny kianjan’ny tanàna izy ka niantso teo alohany hoe: Izao no atao amin’ny lehilahy izay tian’ny mpanjaka homem-boninahitra!
12
Ary niverina nankeo amin’ny vavahadin’ny mpanjaka i Mordekay; fa i Hamana kosa dia nody haingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13
Dia nolazain’i Hamana tamin’i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy i Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ny taranaky ny Jiosy i Mordekay izay efa nanomboka nandavo anao teo anatrehany dia tsy haharesy azy mihitsy ianao fa tsy maintsy ho lavo eo anatrehany.
14
Raha mbola niresaka taminy ihany ireo dia tonga ny ionòkan’ny mpanjaka ka naka haingana an’i Hamana ho any amin’ny fanasana izay efa namboarin’i Estera.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10