bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Esther 7
Esther 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 8 →
1
Ary nankao amin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, ho ao amin’ny fanasana, ny mpanjaka sy i Hamana.
2
Hoy indray ny mpanjaka tamin’i Estera teo am-pisotroan-divay tamin’ny andro faharoa: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona angaha no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany.
3
Dia namaly i Estera, vadin’ny mpanjaka hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary koa ny fireneko araka ny fangatahako!
4
Fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka. Fa raha toa ka namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay dia ho nangina ihany aho; kanefa ange tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka akory ilay fahavalo e.
5
Dia nanontany an’i Estera, vadin’ny mpanjaka, i Ahasoerosy mpanjaka hoe: Iza moa izany, ary aiza izany olona asesiky ny fony hahevitra an’izany?
6
Fa hoy i Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka i Hamana.
7
Ary tezitra mafy ny mpanjaka ka nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho any amin’ny zaridainan’ny mpanjaka. Fa nitsangana kosa i Hamana hangataka ny ainy tamin’i Estera, vadin’ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hataon’ny mpanjaka aminy.
8
Ary niverina avy tao amin’ny zaridainan’ny mpanjaka ho ao amin’ilay efitrano izay nisotroany divay teo ny mpanjaka ary tamin’izay i Hamana dia niampatra tamin’ny farafara nandriandrian’i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ny mpanjaka eto anatrehako ato an-trano koa va ilay io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ny mpanjaka izany teny izany dia nisy nanarona ny tavan’i Hamana.
9
Ary i Harbona, iray tamin’ireo ionòka izay teo anatrehan’ny mpanjaka dia nilaza hoe: Indro, mijoro eo akaikin’ny tranon’i Hamana rahateo ny hazo; io ilay hazo natsangany mba hanantonany an’i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ny mpanjaka; dimampolo hakiho ny haavony. Dia hoy ny mpanjaka: Ahantòny amin’io izy.
10
Ary nahantony tamin’ilay hazo efa natsangany mba hanantonana an’i Mordekay i Hamana. Dia izay vao nionona ny fahatezeran’ny mpanjaka.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10