bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezra 2
Ezra 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 3 →
1
Ireto ireo avy any amin’ny fari-piadidiana niakatra avy tamin’ny fahababoana; nobaboin’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona ka noentiny ho any Babilona, ary niverina ho any Jerosalema sy Joda, samy ho any an-tanànany avy:
2
Izy ireo dia niaraka tamin’i Zerobabela, i Josoa, i Nehemia, i Seraia, i Relaia, i Mordekay, i Bilsana, i Mispara, i Bigvay, i Rehoma ary i Bana. Ny isan’ny lehilahy tamin’ny Israely dia izao:
3
Ny taranak’i Parosy: Roa amby fitopolo amby zato sy roa arivo;
4
ny taranak’i Sefatia: Roa amby fitopolo sy telonjato;
5
ny taranak’i Ara: Dimy amby fitopolo sy fitonjato;
6
ny taranak’i Pahata-Moaba, avy tamin’ny zanak’i Josoa sy i Joaba: Roa amby folo sy valonjato sy roa arivo;
7
ny taranak’i Eliama: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo;
8
ny taranak’i Zato: Dimy amby efapolo sy sivinjato;
9
ny taranak’i Zakay: Enimpolo sy fitonjato;
10
ny taranak’i Bany: Roa amby efapolo sy eninjato;
11
ny taranak’i Bebay: Telo amby roapolo sy eninjato;
12
ny taranak’i Azgada: Roa amby roapolo sy roanjato sy arivo;
13
ny taranak’i Adonikama: Enina amby enimpolo sy eninjato;
14
ny taranak’i Bigvay: Enina amby dimampolo sy roa arivo;
15
ny taranak’i Adina: Efatra amby dimampolo sy efajato;
16
ny taranak’i Atera avy tamin’i Hezekia: Valo amby sivifolo;
17
ny taranak’i Bezay: Telo amby roapolo sy telonjato;
18
ny taranak’i Jora: Roa amby folo amby zato;
19
ny taranak’i Hasoma: Telo amby roapolo sy roanjato;
20
ny taranak’i Gibara: Dimy amby sivifolo;
21
ny taranak’i Betlehema: Telo amby roapolo amby zato;
22
ny mponina tany Netofa: Enina amby dimampolo;
23
ny mponina tany Anatota: Valo amby roapolo amby zato;
24
ny taranak’i Azmaveta: Roa amby efapolo;
25
ny taranak’i Kiriata-Arima sy i Kefira ary i Berota: Telo amby efapolo sy fitonjato;
26
ny taranak’i Rama sy i Gaba: Iraika amby roapolo sy eninjato;
27
ny mponina tany Mikmasy: Roa amby roapolo amby zato;
28
ny mponina tany Betela sy Ay: Telo amby roapolo sy roanjato;
29
ny taranak’i Nebo: Roa amby dimampolo;
30
ny taranak’i Magbisy: Enina amby dimampolo amby zato;
31
ny taranak’ilay Elama iray: Efatra amby dimampolo sy roanjato sy arivo;
32
ny taranak’i Harima: Roapolo sy telonjato;
33
ny taranak’i Loda sy i Hadida ary i Ono: Dimy amby roapolo sy fitonjato;
34
ny taranak’i Jeriko: Dimy amby efapolo sy telonjato;
35
ny taranak’i Sena: Telopolo sy eninjato sy telo arivo.
36
Ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Jedaia avy tamin’ny ankohonan’i Josoa dia telo amby fitopolo sy sivinjato;
37
ny taranak’Imera: Roa amby dimampolo sy arivo;
38
ny taranak’i Pasora: Fito amby efapolo sy roanjato sy arivo;
39
ny taranak’i Harima: Fito amby folo sy arivo.
40
Izao ny levita: Ny taranak’i Josoa sy i Kadmiela, avy tamin’ny taranak’i Hodavia, efatra amby fitopolo.
41
Ny mpihira dia izao: Ny taranak’i Asafa, nisy valo amby roapolo amby zato.
42
Ny taranaky ny mpiandry varavarana dia izao: Ny taranak’i Saloma, ny taranak’i Atera, ny taranak’i Talmona, ny taranak’i Akoba, ny taranak’i Hatita, ny taranak’i Sobay, izay sivy amby telopolo amby zato izy rehetra.
43
Ny Netinima dia izao: Ny taranak’i Ziha, ny taranak’i Hasofa, ny taranak’i Tabaota,
44
ny taranak’i Kerosa, ny taranak’i Siaha, ny taranak’i Padona,
45
ny taranak’i Lebana, ny taranak’i Hagabaha, ny taranak’i Akoba,
46
ny taranak’i Hagaba, ny taranak’i Salmay, ny taranak’i Hanana,
47
ny taranak’i Gidela, ny taranak’i Gahara, ny taranak’i Reaia,
48
ny taranak’i Rezina, ny taranak’i Nekoda, ny taranak’i Gazama,
49
ny taranak’i Oza, ny taranak’i Pasea, ny taranak’i Besay,
50
ny taranak’i Asna, ny taranaky ny Meonita, ny taranaky ny Nefisita,
51
ny taranak’i Bakiboka, ny taranak’i Hakofa, ny taranak’i Harora,
52
ny taranak’i Bazilota, ny taranak’i Mehida, ny taranak’i Harsa,
53
ny taranak’i Barkosa, ny taranak’i Sisera, ny taranak’i Tema,
54
ny taranak’i Nezia, ny taranak’i Hatifa.
55
Ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia ireto: Ny taranak’i Sotahy, ny taranak’i Sofereta, ny taranak’i Peroda,
56
ny taranak’i Jala, ny taranak’i Darkona, ny taranak’i Gidela,
57
ny taranak’i Sefatia, ny taranak’i Hatila, ny taranak’i Pokereta-Hazebaima, ny taranak’i Amỳ.
58
Ny Netinima rehetra sy ny taranaky ny mpanompon’i Solomona dia roa amby sivifolo sy telonjato.
59
Ireto kosa no niakatra avy tany Tela-Mela, Tela-Harsa, Keroba-Adana ary Imera; fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ny Israely na tsia.
60
Ny taranak’i Delaia, ny taranak’i Tobia, ny taranak’i Nekoda: Nisy roa amby dimampolo sy eninjato.
61
Ny avy tamin’ny taranaky ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Habaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barizilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barizilay gileadita izy io ka notononina araka ny anarany.
62
Nitady ny soratra filazana ny razany ireo nefa tsy hita izany; dia natao ho tsy madio izy ka nesorina tamin’ny fisoronana.
63
Ary nilaza taminy ny governora fa tsy mahazo mihinana ny zavatra masina indrindra izy mandra-pitsangan’izay mpisorona iray hitondra ny Orima sy Tomima.
64
Ny tontalin’ny olona rehetra dia enimpolo sy telonjato sy roa arivo sy efatra alina,
65
afa-tsy ny mpanompolahiny sy ny mpanompovaviny fito amby telopolo sy telonjato sy fito arivo; nisy mpihira lahy sy vavy roanjato teo aminy;
66
ny soavaliny dia enina amby telopolo sy fitonjato; ny ampondrany dia dimy amby efapolo sy roanjato;
67
ny ramevany dia dimy amby telopolo sy efajato; ary ny borikiny dia roapolo sy fitonjato sy enina arivo.
68
Ny sasany tamin’ny lohan’ny fianakaviana, rehefa tonga tao amin’ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema, dia nanolotra fanatitra an-tsitrapo hananganana ny tranon’Andriamanitra eo amin’ilay efa niorenany.
69
Nanome araka izay nananany avy izy ireo mba hanampy ireo kojakoja ho amin’ny asa, dia drakma volamena arivo sy enina alina ary volafotsy dimy arivo mane ary fanamiana mpisorona zato.
70
Samy tafapetraka teny an-tanànany avy ny mpisorona sy ny levita sy ny sasany tamin’ny vahoaka, ny mpihira, ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mbamin’ny Israely rehetra koa izay samy tao an-tanànany avy.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10