bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezra 7
Ezra 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 8 →
1
Rehefa afaka izany, tamin’ny nanjakan’i Artaksersesy, mpanjakan’i Persia, dia niakatra i Ezra, zanak’i Seraia, zanak’i Azaria, zanak’i Hilkia,
2
zanak’i Saloma, zanak’i Zadoka, zanak’i Ahitoba,
3
zanak’i Amaria, zanak’i Azaria, zanak’i Meraiota,
4
zanak’i Zerahia, zanak’i Ozy, zanak’i Bokỳ,
5
zanak’i Abisoa, zanak’i Finehasa, zanak’i Eleazara, zanak’i Arona Mpisoronabe.
6
Io Ezra io dia niakatra avy tany Babilona; mpanoradalàna izy sady nahay ny lalànan’i Mosesy izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely; nomen’ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamaniny azy.
7
Tamin’ny taona fahafito nanjakan’i Artaksersesy mpanjaka dia niakatra hankany Jerosalema koa ny sasany amin’ny Zanak’Israely sy ny sasany amin’ny mpisorona mbamin’ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana ary ny Netinima.
8
Ary tonga tany Jerosalema i Ezra tamin’ny volana fahadimy tamin’ny taona fahafito nanjakan’ny mpanjaka.
9
Fa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babilona; ary tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamaniny taminy.
10
Fa nampiomana ny fony i Ezra mba hitady ny lalànan’NY TOMPO ka hankatò izany ary hampianatra ny Israely ireo didy sy fitsipika.
11
Izao no dikan’ny taratasy izay nomen’i Artaksersesy mpanjaka an’i Ezra mpisorona, ilay mpanoradalàna mahay ny tenin’ny lalànan’NY TOMPO sy ny didiny tamin’ny Israely:
12
I Artaksersesy, mpanjakan’ny mpanjaka, ho an’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay tsara ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra.
13
Mamoaka didy aho fa na iza na iza eto amin’ny fanjakako no te hiaraka aminao hankany Jerosalema dia mahazo mandeha izy!
14
Fa efa nirahin’ny mpanjaka ianao sy izy fito lahy mpanolotsainany handinika an’i Joda sy i Jerosalema, araka ny lalànan’Andriamanitrao izay eny an-tananao;
15
ary ianao dia hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa natolotry ny mpanjaka sy ireo mpanolotsaina an-tsitrapo ho an’Andriamanitry ny Israely, izay monina any Jerosalema;
16
ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao avy amin’ny tany Babilona manontolo sy ny fanatitra an-tsitrapo atolotry ny olona sy ny mpisorona, dia izay atolony an-tsitrapo hanaovany ny tranon’Andriamaniny, izay any Jerosalema.
17
Koa amin’izany dia ividiano omby sy ondrilahy ary zanak’ondry mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina momba azy araka izay ilaina ny ampahany amin’io vola io, ary atero eo ambonin’ny alitara ao amin’ny tranon’Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
18
Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ny volafotsy sy ny volamena sisa dia ataovy izany araka ny sitrapon’Andriamanitrareo.
19
Ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao amin’ny tranon’Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’Andriamanitra any Jerosalema.
20
Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ny tranon’Andriamanitrao dia alao ao amin’ny trano fitahirizan-drakitry ny mpanjaka.
21
Izaho Artaksersesy mpanjaka dia mamoaka didy koa ho amin’ny mpitahiry ny harenan’ny fanjakana rehetra izay any andafin’ny ony Eofrata, fa na inona na inona no ilain’i Ezra mpisorona, mpanoradalàna mahay ny lalànan’Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tanteraho marina izany,
22
na hatramin’ny volafotsy zato talenta, ny varimbazaha zato kora, ny divay zato bata, ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
23
Na inona na inona andidian’Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ny tranon’Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy ny zanany?
24
Mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra, ny levita, ny mpihira, ny mpiandry varavarana, ny Netinima ary ny mpanompo amin’io tranon’Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
25
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara izay hitondra ny olona rehetra any andafin’ny ony Eofrata, dia izay rehetra mahalala ny lalànan’Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
26
Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalànan’Andriamanitrao sy ny lalànan’ny mpanjaka dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
27
Isaorana anie NY TOMPO Andriamanitry ny razantsika izay nametraka izany tao am-pon’ny mpanjaka mba hahatsara endrika ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema
28
sady efa nampahazo ahy famindrampo teo anatrehan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ny mpanjaka. Dia nampaherezina aho araka ny nomban’ny tanan’NY TOMPO Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ny Israely mba hiara-miakatra amiko.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10