bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Habakkuk 1
Habakkuk 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Faminaniana ny loza hanjo, araka izay ahitan’i Habakoka mpaminany.
2
Mandra-pahoviana, RY TOMPO, no hitarainako, ka tsy hohenoinao? Mandra-pahoviana no hitarainako hoe: Loza! Nefa tsy vonjenao ihany?
3
Nahoana no ataonao mahita haratsiam-panahy aho ary mahajery fampahoriana Ianao? Fa herisetra sy loza no eo anatrehako, misy ady sady misy ny fifandirana.
4
Noho izany dia tsy manan-kery intsony ny lalàna ary tsy mivoaka mihitsy ny rariny; fa tsy mahatohitra ny ratsy fanahy ny marina ka izany no ivoahan’ny fitsarana miangatra.
5
Jereo any amin’ny Jentilisa ka diniho, ary aoka ianareo ho gaga fa manao zavatra amin’ny andronareo Aho, izay tsy hinoanareo raha olona no mitantara aminareo.
6
Fa indro, atsangako ny Kaldeana, ilay firenena lozabe sady mirehidrehitra, izay mitety ny tany rehetra mba hahazoany fonenana izay tsy azy akory.
7
Mahatsiravina sy mahatahotra izy; avy amin’ny tenany ihany ny fitsarany sy ny fahalehibiazany.
8
Haingam-pandeha noho ny leoparda ny soavaliny sady masiaka noho ny amboadia amin’ny hariva. Mampiriotra ny kalesy fitondra miady ny mpitaingin-tsoavaliny; eny, avy lavitra ny mpitaingin-tsoavaliny; manidina toy ny voromahery maika hihinana izy.
9
Hampidi-doza no iavian’izy rehetra, ny handroso ihany no imatimatesany ka manangona babo toy ny fasika izy.
10
Manakora ny mpanjaka izy ary ihomehezany ny mpanapaka eo aminy. Ny tanàna mimanda rehetra dia ihomehezany ka manandratra tovon-tany izy ary mahafaka izany.
11
Dia mihelina toy ny rivotra izy ary mandroso ka mahazo heloka, izany heriny izany no andriamaniny.
12
Moa tsy hatrizay hatrizay va Ianao, RY TOMPO Iray Masina Andriamanitro? Tsy ho faty Ianao! TOMPO ô, ho amin’ny fitsarana no nanendrenao ireny; ry Vatolampy ô, ho fananarana no nanangananao azy.
13
Ianao izay madio maso ka tsy ta hahita ny ratsy ary tsy mahazaka mijery fampahoriana, nahoana Ianao no mijery ny mpamitaka? Nahoana no mangina Ianao raha mandrapaka ny marina noho izy ny ratsy fanahy?
14
Mitondra ny olona toy ny hazandrano any an-dranomasina sy toy ny biby mandady sy mikisaka, izay tsy manam-panapaka Ianao.
15
Aingainy amin’ny fintana izy rehetra, samboriny amin’ny haratony ary sarihiny amin’ny harato tarihiny ka faly sy ravoravo izy.
16
Koa izany no amonoany zavatra hatao fanatitra ho an’ny haratony sy andoroany ditin-kazo manitra ho an’ny harato tarihiny, fa ireo no ahazoany anjara matavy sy hanina matsiro.
17
Koa noho izany, moa va hanaisotra ny ao amin’ny tandrohony izy ary hamono firenena mandrakariva ka tsy hiantra?
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3