bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Habakkuk 3
Habakkuk 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Ny vavaka nataon’i Habakoka mpaminany, araka ny fomban’ny fitarainana.
2
TOMPO ô, efa reko ny filazana momba Anao ka raiki-tahotra aho, RY TOMPO. Tanteraho amin’ny fotoanany ny asanao; ataovy fantatra amin’ny fotoanany izany! Na dia tezitra aza Ianao dia tsarovy ny indrafonao!
3
Tonga avy any Temana Andriamanitra, dia ny Iray masina avy any an-tendrombohitra Parana. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary manenika ny tany ny fiderana Azy.
4
Misy famirapiratana toy ny mazava ary misy tana-masoandro avy eo amin’ny tanany; ao no fieren’ny heriny!
5
Eo alohany no andehanan’ny areti-mandringana ary areti-mandripaka no mivoaka avy eo aorianany.
6
Mijanona Izy ka manozongozona ny tany; mijery Izy ka mampangovitra ny firenena. Torotoro ny tendrombohitra mandrakizay, mietry ny havoana fahagola sy ny lalana tranainy falehany.
7
Mahita ny tranolain’i Kosana azom-pahoriana sy ny ambaindain’ny tany Midiana mipararetra aho.
8
Moa amin’ny ony va no irehetan’ny hatezeran’NY TOMPO? Amin’ny ony va no fahatezeranao, na amin’ny ranomasina va no ahasosoranao, no dia mitaingina ny soavalinao sy ny kalesim-pandresenao Ianao?
9
Nalan-tsarona ny tsipìkanao; ny fianiananao no tsipìkan’ny teninao. Nampitresaka ny tany Ianao mba hisy ony.
10
Nahita Anao ny tendrombohitra ka toran-kovitra; mirotsaka ny ranonorana mivatravatra, miloa-peo ny lalina sady manangan-tanana ho amin’ny avo.
11
Ny masoandro sy ny volana dia nijanona teo amin’ny toerany, noho ny fahazavan’ny zana-tsipìkanao mitsoriaka sy ny fanelatrelatry ny lefonao mamirapiratra.
12
Amin’ny fahatezeranao no itetezanao ny tany; amin’ny fahaviniranao no anosihosenao ny firenena.
13
Mivoaka hamonjy ny olonao Ianao, hamonjy ny Voahosotrao. Torotoroinao ny tapenaky ny tranon’ny ratsy fanahy ka rava hatrany am-potony ka hatrany an-tampony.
14
Ny lefony ihany no anaboroahanao ny lohan’ireo miaramilany betsaka izay avy toy ny tadio hanely ahy; sady mifaly handripaka ny mahantra ao amin’ny mangingina izy.
15
Mitety ny ranomasina amin’ny soavalinao Ianao, dia eny amin’ny ranobe miavovona.
16
Nony nandre aho dia mandevilevy ny ato anatiko; ny molotro dia mipararetra noho ny feo; azon’ny fahalovana ny taolako ary mangovitra tsy afa-mihetsika aho eo am-piandrasana ny andro fahoriana, izay hiakaran’ny mpiantafika hamely ny olona.
17
Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy ary tsy misy voany ny voaloboka, na dia mandiso fanantenana aza ny oliva ary tsy mahavokatra hohanina ny saha, na dia vonoina aza ny ondry ao am-bala ary tsy misy omby ao am-pahitra,
18
izaho kosa dia mbola hiravoravo amin’NY TOMPO ihany sy hihoby amin’Andriamanitry ny famonjena ahy.
19
NY TOMPO Andriamanitra no tanjako, manao ny tongotro ho toy ny an’ny dieravavy Izy ka mampandeha ahy any amin’ny havoanako. Ho an’ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ny valiha.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3