bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Haggai 1
Haggai 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 2 →
1
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy mpanjaka no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany tamin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, nilaza hoe:
2
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Ity firenena ity dia niteny hoe: Tsy mbola tonga ny fotoana tokony hananganana indray ny tranon’NY TOMPO.
3
Dia tonga ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe:
4
Moa fotoana tokony hitoeranareo ao amin’ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa ity trano ity dia rava?
5
Koa ankehitriny dia izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo.
6
Namafy be ianareo nefa kely no azo avy amin’izany; mihinana ianareo nefa tsy voky; misotro ianareo nefa tsy afa-po; mitafy ianareo nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
7
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Hevero ny lalanareo.
8
Miakara any an-tendrombohitra ka makà hazo, ary ataovy ny Trano dia hankasitrahako izany sady hankalazaina Aho, hoy NY TOMPO.
9
Nanampo be ianareo kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo ho any an-trano dia notsofiko indray. Nahoana? Hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo dia samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
10
Noho izany dia nitsahatra tsy hampilatsaka ando ny lanitra eo amboninareo ary nitsahatra tsy hahavokatra ny tany.
11
Niantso ny hain-tany Aho hamely ny tany, ny tendrombohitra, ny vary, ny ranom-boaloboka, ny diloilo ary izay vokatry ny tany sy ny olona ary ny biby fiompy mbamin’izay rehetra efa nisasaran’ny tanana.
12
I Zerobabela, zanak’i Seltiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny vahoaka, dia nihaino ny feon’NY TOMPO Andriamaniny sy ny tenin’i Hagay mpaminany, araka ny efa nanirahan’NY TOMPO Andriamaniny azy; ary natahotra teo anatrehan’NY TOMPO ny olona.
13
Ary nambaran’i Hagay, iraky NY TOMPO, ny teny nampitondrain’NY TOMPO ho amin’ny olona hoe: Izaho no momba anareo, hoy NY TOMPO.
14
Dia notairin’NY TOMPO ny fanahin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, ary ny fanahin’ny sisa rehetra amin’ny vahoaka. Dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’Andriamaniny, Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
15
Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahenina tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy izany.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 2 →
All chapters:
1
2