bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Haggai 2
Haggai 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
1
Tamin’ny andro fahiraika amby roapolo tamin’ny volana fahafito no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO noentin’i Hagay mpaminany hoe:
2
Lazao amin’i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, governora any Joda, sy amin’i Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe, ary amin’ny sisa amin’ny vahoaka hoe:
3
Iza aminareo mbola velona no nahita ity trano ity tamin’ny voninahiny taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy ankehitriny? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va izy ity?
4
Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela! Hoy NY TOMPO. Mahereza, ry Josoa, zanak’i Jozadaka, Mpisoronabe! Mahereza, ianareo vahoaka rehetra! Hoy NY TOMPO. Miasà! Fa Izaho no momba anareo, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao,
5
araka ny tenin’ny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Ejipta ianareo, ary ny Fanahiko dia mitoetra ao aminareo; koa aza matahotra ianareo!
6
Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Indray maka indray, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina;
7
hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra ka ho avy izay zava-tsoan’ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
8
Ahy ny volafotsy ary Ahy ny volamena, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
9
Ny voninahitr’ity trano ity amin’ny ho avy dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao; ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
10
Tamin’ny andro fahefatra amby roapolo tamin’ny volana fahasivy tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosy no nahatongavan’ny tenin’NY TOMPO izay noentin’i Hagay mpaminany hoe:
11
Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Miangavy anao Aho, andeha maka hevitra amin’ny mpisorona hoe:
12
Raha misy mitondra hena masina eny an-tsisin-dambany ka voakasiky ny sisin-dambany ny mofo, na izay nahandroina na ny divay na ny diloilo na izay mety ho fihinana, moa ho tonga masina koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Tsia!
13
Ary hoy i Hagay: Raha misy maloto amim-paty mikasika ireo, moa ho tonga maloto koa va ireo? Dia namaly ny mpisorona hoe: Ho tonga maloto ireo.
14
Dia hoy i Hagay: Tahaka izany ireto olona ireto ary tahaka izany ity firenena ity eo anatrehako, hoy NY TOMPO. Tahaka izany koa ny asan’ny tanany rehetra, fa izay ateriny ao dia maloto.
15
Koa miangavy anareo aho, hevero ny amin’izay hiseho hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ. Fony tsy mbola nisy vato voarafitra tao amin’ny tempolin’NY TOMPO,
16
tamin’izany andro izany, raha nisy nankeo amin’ny antontam-bary tokony ho roapolo famarana, dia folo ihany no tao; raha nisy nankeo amin’ny vata fanantazana ranom-boaloboka hananty indimampolon’ny famarana dia roapolo ihany no tao.
17
Ny vary main’ny hafanana sy maty fotsy ary ny havandra no namelezako anareo tamin’ny asan’ny tananareo rehetra; nefa tsy niverina Tamiko ihany ianareo, hoy NY TOMPO.
18
Miangavy anareo aho, hevero izay hiseho hatramin’izao andro anio izao no ho mankarỳ, hatramin’ny andro fahefatra amby roapolo amin’ny volana fahasivy; eny, hatramin’ny andro nanorenana ny tempolin’NY TOMPO, hevero izany!
19
Mbola misy voan-javatra ihany va ao an-tsompitra? Na dia ny voaloboka, ny aviavy, ny ampongabendanitra ary ny oliva aza dia tsy mbola nisy namoa. Hatramin’izao andro anio izao no hitahiako anareo.
20
Tonga fanindroany tamin’i Hagay ny tenin’NY TOMPO, tamin’ny andro fahefatra amby roapolo hoe:
21
Lazao amin’i Zerobabela governora any Joda hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;
22
haongako ny sezafiandrianan’ny fanjakana, hofoanako ny herin’ny fanjakan’ny firenena; haongako ny kalesy fitondra miady sy izay mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
23
Amin’izany andro izany hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao dia horaisiko ianao ry Zerobabela mpanompoko, zanak’i Sealtiela, hoy NY TOMPO. Hataoko toy ny fitombo-kase ianao satria ianao no efa nofidiko, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
All chapters:
1
2