bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Nahum 2
Nahum 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Indro tonga eny an-tendrombohitra ilay mitondra teny soa mahafaly sady manambara fiadanana! Ankalazao ny andro firavoravoanao, ry Joda, efao ny voadinao; fa tsy handeha hamakivaky eo aminao intsony ilay tena ratsy fanahy, indray ripaka izy rehetra.
2
Misy mpanafika miakatra hamely anao. Ambeno ny manda, tazano ny lalana, mivonòna hiady, mahereza, aoka hitomban-dahy!
3
Fa NY TOMPO efa mampody ny voninahitr’i Jakoba, toy ny ampodiany ny voninahitr’Israely; fa efa nandroba azy ny mpandroba ary nanimba ny sampam-boalobony.
4
Miloko mena ny ampingan’ny lehilahy maheriny, miloko jaky ny fanamian’ny miaramilany, ny kalesy fitondrany miady dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo amin’ny andro fiomanany, ary arangaranga ny lefona.
5
Miriotra eny an-dalambe ny kalesy fitondra miady ka mifamoivoy eny amin’ny toerana malalaka; tahaka ny harendrina no fijery azy, mitsoriaka tahaka ny tselatra izy.
6
Tsaroany ny lehilahy malazany, kanjo tafintohina am-pandehanana ireny; mihazakazaka ho any amin’ny manda ireny, kanjo efa voatsangana hatrany an-tampony ny manda.
7
Novohana ireo vavahadin’ny renirano ary mirodana ny lapa.
8
Izao no iafarany: Ampitanjahina izy dia noentina ho babo, ary mitoloko azy manao feom-boromailala ny mpanompovavy sady miteha-tratra.
9
Hatramin’izay i Ninive dia tahaka ny fitahirizan-drano; kanefa manary rano izy izao. Mijanòna! Mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
10
Mandrobà volafotsy, Mandrobà volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, dia ny habetsahan’ny zavatra sarobidy isan-karazany.
11
Voaroba daholo, potipotika, foana sady lao! Kivy ny fo, mangozohozo ny lohalika, manaintaina ny andilana rehetra, mivaloarika ny tarehy rehetra.
12
Aiza ilay lavaky ny liona sy firembin’ny liona tanora, dia ilay nandehanan’ny lion-dahy sy ny liom-bavy mbamin’ny zanany ka tsy nisy nanaitaitra azy?
13
Ny liona dia mamotipotika izay ilain’ny zanany, manakenda koa mba hanomezany ho an’ny liom-bavy sady mameno haza ny lavaka misy azy sy mameno remby voarotidrotika ny fonenany.
14
Indro, hamely anao Aho, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Holevoniko ho setroka ny kalesy fitondranao miady, hovonoiko amin’ny sabatra ny liona tanoranao; hofongorako amin’ny tany ny hazanao; ary tsy ho re intsony ny feon’ny irakao.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3