bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Nahum 3
Nahum 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
1
Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra! Feno lainga sy loza amin’atambo; tsy ialan-dremby ao aminy.
2
Injany ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon’ny kodiarana! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy fitondra miady!
3
E! Ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fitselatry ny sabatra sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan’ny voatrabaka sy ny hamaroan’ny voavono! Tsy hita isa ny faty! Eny, voafingampingan’ny faty ny olona.
4
Izany dia noho ny habetsahan’ny fijangajangan’Ikala janga tsara tarehy, sady mpilalao sikidy, izay mivarotra firenena amin’ny fijangajangany sy fokom-pirenena amin’ny ody ratsiny.
5
Indro, hamely anao Aho, hoy NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; ary haingaiko ho amin’ny tavanao ny morontongotr’akanjonao ka hasehoko amin’ny firenena ny fitanjahanao ary amin’ny fanjakana ny fahamenaranao.
6
Dia hotsipazako loto ianao ka hataoko tsinontsinona, eny, hataoko fitalanjonana ianao.
7
Ary izay rehetra mijery anao dia handositra anao ka hiteny hoe: Rava i Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao?
8
Ianao va tsara noho i No-Amona, ilay nitoetra teo anelanelan’ny ony ka nohodidinin’ny rano, toy ny ranomasina ny manda manodidina azy?
9
Ny Kosita no heriny tsy hita lany torak’izany koa ny Ejiptiana; ny Lidiana sy ny Libiana no mpanampy azy.
10
Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-ko babo; ny zanany madinika dia notorotoroina teny an-joron-dalambe rehetra teny; nanaovany antsapaka ny olo-malazany, ary nogadraina ny lehibeny rehetra.
11
Ho mamo koa ianao ka hiafina; hitady fiarovana mafy koa ianao hierenao ny fahavalonao.
12
Ho tahaka ny aviavy misy voa mialin-taona ny manda mafinao rehetra: Raha hohozongozonina izy dia hihintsana ao am-bavan’izay hihinana.
13
Indro, vehivavy sisa no olonao ao aminao; midanadana hidiran’ny fahavalonao ny vavahadin’ny taninao; levon’ny afo ny hidinao.
14
Manangòna rano ho anao ho amin’ny fahirano! Hamafiso ny mandanao! Mirotsaha ao amin’ny fotaka ka hosihoseo ho feta izany! Raiso ny lasitra fanaovam-biriky!
15
Any no handevonan’ny afo anao sy handripahan’ny sabatra anao; hohaniny toy ny fihinan’ny valalavao ianao. Mihamaroa toy ny valalavao, mihabetsaha toy ny valala.
16
Nataonao betsaka noho ny kintana eny amin’ny lanitra ny mpivaro-mandehanao; mipariaka ny valalavao ka lasa manidina.
17
Ny andriananao dia toy ny valala, ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao izay mitoby eny amin’ny fefy raha mangatsiaka ny andro; fa raha miposaka ny masoandro dia lasa manidina izy ka tsy fantatra izay alehany.
18
Rendremana ny mpiandry ondrinao, ry mpanjakan’i Asiria; miampatrampatra ny lehilahy maherinao; aely eny an-tendrombohitra ny olonao ka tsy misy mamory azy.
19
Tsy misy fanafana ny manjo anao, tsy azo sitranina ny ferinao; izay rehetra ilazana ny nanjo anao dia hitehaka; fa iza no tsy efa tratry ny zava-doza nataonao miverimberina?
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
All chapters:
1
2
3