bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Song of Solomon 2
Song of Solomon 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 3 →
1
Izaho dia voahirana eny amin’ny tany lemaka ihany ary lisy eny an-dohasaha.
2
Toy ny lisy eo ampovoan’ny tsilo, dia toy izany ianao, Rahavako, eo amin’ny zazavavy.
3
Toy ny hazo paoma iray eo anivon’ny hazo any an’ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zanakalahy. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voankazony.
4
Noentiny niditra ho ao an-trano fitoeran-divay aho, ary ny faneva napetrany eo amboniko dia fitiavana.
5
Hatanjaho amin’ny mofo voaloboka aho, ary velombelomy amin’ny paoma fa mararim-pitia aho.
6
Aoka ny tanany havia hiondanako, ary aoka ny tanany havanana hamihina ahy.
7
Mampianiana anareo aho ry zanakavavin’i Jerosalema, amin’ny gazela na amin’ny dieravavy any an-tsaha: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony.
8
Injay, ny feon’ilay malalako! Indro, tamy izy ka mitsambikimbikina eny an-tendrombohitra ary mitsamboamboatra eny amin’ny havoana.
9
Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; indro, mijanona ao alatranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin’ny makarakara.
10
Niteny tamiko ny malalako hoe: Mitsangàna, Rahavako, ry tsara tarehiko, ka andao!
11
Fa indro, lasa ny ririnina, tsy misy intsony sady efa lasa ny ranonorana;
12
mamelana eny amin’ny tany ny voninkazo; tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina.
13
Mahamanitra ny voany tanora ny aviavy, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, Rahavako, ry tsara tarehiko, ka avia!
14
Ry voromailalako ao an-tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho, fa mamy ny feonao, ary mampaharavoravo ny endrikao.
15
Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; fa efa mamony izao ny voalobotsika.
16
Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ny lisy.
17
Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, amin’ny milenti-masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8