bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Song of Solomon 7
Song of Solomon 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
1
Miverena, miverena, ry Solemita; miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin’ny Solemita? Dihy tahaka ny ataon’ny mpandihy roa tonta.
2
Endre! Maha te hijery ny famindran’ny tongotrao manao kapa, ry zazavavy, zanaky ny manamboninahitra! Ny manodidina ny andilanao dia tahaka ny firavaka izay nataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra.
3
Ny foitranao dia tahaka ny kapoaka boribory; tsy ho diso divay noharoharoan-javamanitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny varimbazaha an-tobiny sady voaravaka lisy manodidina.
4
Ny nononao roa dia tahaka ny zana-gazela kambana;
5
ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivoara; ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, eo am-bavahadin’i Bata-Rabima; ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona izay manandrify an’i Damaskosy.
6
Ny lohanao dia tahaka an’i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan’ny volonao olioly ny mpanjaka!
7
Endre! Tsara tarehy sady mahafinaritra noho izao zava-mahafinaritra rehetra izao ianao ry malala!
8
Izato tsangananao dia tahaka ny palma, ary ny nononao dia tahaka ny sampahony.
9
Hoy aho: Hananika ny palma aho ka handray ny rantsany; ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an’ny paoma;
10
ny vavanao dia toy ny divay tsara. Eny, divay mikorotsaka mora ao an-tendan’ny malalako sady miditra misononoka amin’ny molotry ny matory.
11
An’ny malalako aho, sady manina ahy izy.
12
Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; andeha handry any ambanivohitra isika.
13
Dia aoka hifoha vao maraina ho any an-tanim-boaloboka isika; aoka hozahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, raha mivelatra ny voniny, ary raha mamony ny ampongabendanitra. Any no hanehoako ny fitiavako anao.
14
Mamerovero tsara ny dodaima, sady eo am-bavahadintsika dia misy voankazo tsara samihafa, na ny vao na ny ela; efa notahiriziko ho anao ireo, ry malalako.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8