bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Chronicles 15
1 Chronicles 15
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 16 →
1
I Davida dia nanao trano ho azy tao an-Tanànan’i Davida sady nanamboatra fitoerana sy nanorina tranolay ho an’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra.
2
Tamin’izay dia hoy i Davida: Tsy misy tokony hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra afa-tsy ny levita* ihany, satria izy no efa nofidin’NY TOMPO hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakariva.
3
Dia novorin’i Davida tany Jerosalema ny Israely rehetra hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ho any amin’ny toerana izay namboariny ho azy.
4
Ary novorin’i Davida ny taranak’i Arona sy ny levita:
5
Tamin’ny taranak’i Kehata dia i Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roapolo amby zato;
6
tamin’ny taranak’i Merary dia i Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roapolo sy roanjato;
7
tamin’ny taranak’i Gersoma dia i Joela lehibeny sy ny rahalahiny telopolo amby zato;
8
tamin’ny taranak’i Elizafana dia i Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roanjato;
9
tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Eliela lehibeny sy ny rahalahiny valopolo;
10
tamin’ny taranak’i Oziela dia i Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa amby folo amby zato.
11
Ary i Davida niantso an’i Zadoka sy i Abiatara mpisorona ary ny levita, dia i Oriela, i Asaia, i Joela, i Semaia, i Eliela ary i Aminadaba,
12
ka niteny tamin’ireo hoe: Ianareo lohan’ny fianakavian’ny levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampiakaranareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho ao amin’ilay toerana namboariko ho azy.
13
Satria tsy ianareo no nampiakatra azy tamin’ny voalohany, dia nasian’NY TOMPO Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny fomba tokony harahina.
14
Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny levita mba hampiakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
15
Ary nilanja ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’ny bao hazo teny an-tsorony ny levita, fa izany no nandidian’i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO.
16
Ary ireo lehiben’ny levita dia nasain’i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra zavamaneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ny fifaliana.
17
Dia notendren’ny levita i Hemana, zanak’i Joela; tamin’ny rahalahiny dia i Asafa, zanak’i Berekia; tamin’ny taranak’i Merary rahalahiny dia i Etana, zanak’i Kosaia;
18
naman’ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramota, i Jehiela, i Ony, i Eliaba, i Benaia, i Mahaseia, i Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma ary i Jeiela, mpiandry varavarana.
19
I Hemana sy i Asafa ary i Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20
I Zakaria, i Aziela, i Semiramota, i Jehiela, i Ony, i Eliaba, i Mahaseia ary i Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ny alamota.
21
I Matitia, i Elifeleho, i Mikneia, i Obeda-Edoma, i Jeiela ary i Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ny seminita ho fitarihana ny hira.
22
I Kenania, lehiben’ny levita, no tonian’ny fitondrana entana; nampianatra ny fitondrana entana izy satria hainy izany.
23
I Berekia sy i Elikana no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena*.
24
I Sebania, i Josafata, i Netanela, i Amasay, i Zakaria, i Benaia ary i Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; i Obeda-Edoma sy i Jehia kosa no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena.
25
I Davida sy ny loholon’ny Israely mbamin’ny mpifehy arivo no nandeha hampiakatra amim-pifaliana ny vata misy ny faneken’NY TOMPO avy tao an-tranon’i Obeda-Edoma.
26
Rehefa nomban’Andriamanitra ny levita* izay nilanja ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ho fanatitra izy.
27
Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena* ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda* rongony fotsy koa i Davida.
28
Toy izany no nampiakaran’ny Israely rehetra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tamin’ny fihobiana, ny feon’ny anjomara, ny trompetra, ny kipantsona ary tamin’ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
29
Nony tonga tao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; dia naneso azy mafy tao am-pony izy.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29