bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
1 Chronicles 26
1 Chronicles 26
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 27 →
1
Ny antokon’ny mpiandry varavarana: Tamin’ny Koraìta dia i Meselemia, zanak’i Kore, avy tamin’ny zanak’i Asafa.
2
Ny zanakalahin’i Meselemia dia i Zakaria, lahimatoa; i Jediaela, lahiaivo; i Zebadia, fahatelo; i Jatniela, fahefatra;
3
i Elama, fahadimy; i Johanana, fahenina ary i Elihoenay, faralahy.
4
Ny zanakalahin’i Obeda-Edoma dia i Semaia, lahimatoa; i Jozabada, lahiaivo; i Joa, fahatelo; i Sakara, fahefatra; i Netanela, fahadimy;
5
i Amiela, fahenina; Isakara, fahafito ary i Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
6
Ary i Semaia zanany dia niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ny fianakavian’ny rainy satria samy mpiady mahery.
7
Ny zanakalahin’i Semaia dia i Otny, i Refaela, i Obeda ary i Elzabada mbamin’ireo rahalahiny, mpiady mahery, dia i Eliho sy i Semakia.
8
Ireo rehetra ireo no avy tamin’ny zanak’i Obeda-Edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ny fanompoany; roa amby enimpolo no an’i Obeda-Edoma.
9
Nanan-janakalahy sy rahalahy valo amby folo i Meselemia; samy lehilahy mahay avokoa izy ireo.
10
Ary i Hosa tamin’ny taranak’i Merary dia nanan-janakalahy, dia i Simry no lohany; fa izy no nataon’ny rainy ho lohany na dia tsy lahimatoa aza izy;
11
i Hilkia, lahiaivo; i Tebalia, fahatelo ary i Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo amby folo.
12
Ireo lehiben’ny tonian’ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara raharaha tahaka ireo rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
13
Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao antsapaka avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ny isam-bavahady.
14
Ny azon’i Selemia tamin’ny antsapaka dia ny ilany atsinanana. Ary natao koa ny antsapaka ho an’i Zakaria zanany izay mpanolotsaina hendry, koa ny azony dia ny ilany avaratra.
15
An’i Obeda-Edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano fitahirizan-drakitra.
16
An’i Sopima sy i Hosa ny andrefana mbamin’ny vavahady Saleketa, amin’ny lalana miakatra; ary feno avokoa ny toerana fiambenana.
17
Ny atsinanana dia nisy levita* enina, ny avaratra dia nisy efatra isanandro, ny atsimo dia nisy efatra isanandro, ary ny trano fitahirizan-drakitra dia nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
18
Tany amin’ireo trano madinika tao andrefana dia nisy efatra nanatrika ny lalana, ary roa no tao amin’ireo trano madinika.
19
Ireo no antokon’ny mpiandry ny varavarana tamin’ny taranak’i Kora sy ny taranak’i Merary.
20
Tamin’ny levita* dia i Ahia no tonian’ny efitrano fitahirizana sy ny rakitra masina ao amin’ny tranon’Andriamanitra.
21
Ny taranak’i Ladana, ilay Ladana gersonita, ireo lohan’ny fianakavian’i Ladana gersonita, dia ny Jehielita.
22
Ny taranaky ny Jehielita, dia i Zetama sy i Joela rahalahiny, no tonian’ny efitrano fitahirizana ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
23
Tamin’ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
24
dia i Seboela, avy tamin’ny taranak’i Gersoma, zanak’i Mosesy, no tonian’ny efitrano fitahirizana.
25
Ny rahalahiny avy tamin’i Eliezera dia i Rehabia, zanak’i Eliezera; i Jesaia, zanak’i Rehabia; i Jorama, zanak’i Jesaia; i Zikry, zanak’i Jorama ary i Selomota, zanak’i Zikry.
26
Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ny rakitra masina, dia izay nohamasinin’i Davida mpanjaka sy ny lohan’ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato mbamin’ny ny lehiben’ny miaramila.
27
Tamin’ny zavatra azony babo tamin’ny ady dia nisy nohamasininy hoenti-manamboatra ny tranon’NY TOMPO.
28
Ary izay rehetra nohamasinin’i Samoela mpahita sy i Saoly, zanak’i Kisy ary i Abnera, zanak’i Nera sy i Joaba, zanak’i Zeroia, eny, izay rehetra nohamasininy, dia i Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
29
Tamin’ny Jizarita dia i Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ny raharaha ivelany amin’ny Israely ka ho mpifehy sy mpitsara.
30
Tamin’ny Hebronita dia i Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fitonjato sy arivo, no mpifehy tamin’ny Israely tany andafy andrefan’i Jordana, mpifehy ny amin’ny raharaha rehetra ho an’NY TOMPO sy ny fanompoana ny mpanjaka.
31
Ny Hebronita dia i Jeria no lohany. Tamin’ny taona fahefapolo nanjakan’i Davida no nanaovana fikarohana teo amin’ny Hebronita, araka ny fianakaviany avy, ka nahitana mpiady mahery tao, dia tao Jazera any Gileada.
32
Ny rahalahin’i Jeria dia fitonjato sy roa arivo, samy mpiady mahery, loham-pianakaviany avy. Ary nanendry azy ireo i Davida ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny amin’ny raharaha rehetra mikasika an’Andriamanitra sy ny mpanjaka.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29