bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Daniel 7
Daniel 7
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 8 →
1
Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsazara, mpanjakan’i Babilona dia nanonofy i Daniela sady nahita fahitana tao am-pandrianany. Nosoratany ny nofy ka nambarany ny fotopototr’izany.
2
Hoy i Daniela: Nahita tamin’ny fahitako tamin’ny alina aho, fa indreo ny rivotra efatry ny lanitra nampihetsika ny Ranomasina Lehibe.
3
Ary nisy biby efatra lehibe samihafa niakatra avy tamin’ny ranomasina.
4
Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery. Raha mbola nijery azy aho dia voahongotra ny elany ary natsangana avy tamin’ny tany izy ka najoro tamin’ny tongony roa toy ny fijoron’ny olona sady natao manana fon’olombelona.
5
Indro ny faharoa koa dia biby hafa, tahaka ny bera nefa nisandratra tamin’ny ila tenany sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, mihinàna nofo betsaka.
6
Nony afaka izany dia nahita aho fa indro, nisy hafa koa, toy ny leoparda nefa nanana ela-borona efatra teo an-damosiny; nanana loha efatra io biby io ary nomena fanjakana izy.
7
Nony afaka izany dia nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina aho, dia biby fahefatra mahatsiravina sady matanjaka sy tena mahery; nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nihotahota izy ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8
Nodinihiko ny tandroka ka indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary nongotana teo anoloan’io ny tandroka telo tamin’ireo taloha; ary indro, nanana maso toy ny mason’olona sy vava miteny zavatra feno avonavona izy.
9
Raha mbola nijery aho dia nisy sezafiandrianana maro napetraka, ary nisy Lahiantitra iray nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny orampanala ary ny volon-dohany dia toy ny volon’ondry madio. Ny sezafiandrianany dia lelafo ary ny kodiarany dia afo mirehitra.
10
Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nijoro teo anatrehany. Nanomboka ny fitsarana ary novelarina ny boky.
11
Mbola nijery ihany aho noho ny feon’ny teny feno avonavona notenenin’ilay tandroka; raha mbola nijery aho dia novonoina ilay biby ka nolevonina ny tenany ary natao tao amin’ny afo mirehitra.
12
Ny amin’ireo biby hafa dia nesorina taminy ny fahefany, nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ny andro sy ny fotoana.
13
Ary mbola nahita tamin’ny fahitana tamin’ny alina ihany aho fa indro, nisy toy ny zanak’Olona avy tamin’ny rahon’ny lanitra, ary nankeo amin’Ilay Lahiantitra Izy, dia nampanatonina Azy.
14
Nomena fahefana sy voninahitra ary fanjakana Izy mba hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy. Ny fahefany dia fahefana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany dia tsy ho rava.
15
Izaho Daniela dia nangitakitaka tato anatiko, ary naharaiki-tahotra ahy ny fahitana hitako.
16
Dia nanakaiky ny iray tamin’izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’izany rehetra izany. Nambarany tamiko ary ka nampahafantariny ahy ny hevitr’izany.
17
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany.
18
Nefa ny olo-masin’ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay doria.
19
Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nihotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ny tongony;
20
ary ny amin’ny tandroka folo teo an-dohany sy ny iray koa izay nipoitra ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra feno avonavona, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
21
Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany dia niady tamin’ny olo-masina ka naharesy azy
22
ambara-piavin’Ilay Lahiantitra izay nanome rariny ny olo-masin’ny Avo Indrindra ka tonga koa ny fotoana nandraisan’ny olo-masina ny fanjakana.
23
Izao no nolazainy: Ilay biby fahefatra dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ny tany izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra, sady handrava ny tany rehetra no hanosihosy sy hanorotoro azy.
24
Ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
25
Hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sady hampahory ny olo-masin’ny Avo Indrindra ary hitady hanova ny fotoana sy ny lalàna. Hatolotra eny an-tanany ireo, ambara-pahatapitry ny fetrandro iray sy ny fetrandro roa ary ny antsasaky ny fetrandro.
26
Dia hanomboka ny fitsarana ary hesorina ny fahefany ka horavana sy hosimbana hatramin’ny farany izy.
27
Ary ny fanjakana sy ny fahefana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana eny ambanin’ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ny Avo Indrindra. Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny manamboninahitra rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
28
Mifarana eo ny fitantarana izany zavatra izany. Fa izaho Daniela kosa dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro ka nihahatsatra ny tarehiko ary notahiriziko tao am-poko ireo zavatra ireo.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12