bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Ezra 10
Ezra 10
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
1
Raha mbola nivavaka sy nifona i Ezra sady nitomany sy niankohoka teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra dia nivory teo aminy ny olona marobe avy tamin’ny Israely, na lehilahy na vehivavy mbamin’ny ankizy madinika; fa nitomany mafy dia mafy koa ny olona.
2
Dia hoy i Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, tamin’i Ezra hoe: Efa nanao izay mahadiso teo anatrehan’Andriamanitsika izahay satria naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely ny amin’izany zavatra izany.
3
Koa aoka izahay hanao fanekena amin’Andriamanitsika ka hisaotra ny vady rehetra sy hanary izay naterany araka ny anatra nataonao, tompokolahy, sy araka ny anatra nataon’ireo izay mangovitra noho ny didin’Andriamanitsika; ary aoka hatao araka ny lalàna izany.
4
Mitsangàna fa adidinao izany; ary indreto koa izahay eto aminao; dia matokia tsara ka ataovy izany.
5
Dia nitsangana i Ezra ka nampianiana ny lehiben’ny mpisorona sy ny levita* ary ny Israely rehetra fa hanatanteraka izany teny izany; dia nianiana ireo.
6
Dia nitsangana niala teo anoloan’ny tranon’Andriamanitra i Ezra ka nankany amin’ny efitrano nitoeran’i Johanana, zanak’i Eliasiba; nony tafiditra tao izy dia tsy mba nihinan-kanina na nisotro rano, fa nalahelo izy noho ny fahadisoan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana.
7
Dia nandefa teny manerana an’i Joda sy Jerosalema ireo ho any amin’ny olona rehetra izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana mba hivory any Jerosalema;
8
ary na iza na iza no tsy tonga ao anatin’ny hateloana araka ny tenin’ny mpanapaka sy ny loholona dia hatao ho zavatra voaozona ny fananany rehetra ary hesorina amin’ny fiangonan’ny olona izay efa niverina avy tamin’ny fahababoana izy.
9
Nony tamin’ny andro fahatelo dia vory tany Jerosalema ny lehilahy rehetra tamin’ny Joda sy ny Benjamina, dia tamin’ny andro faharoapolo tamin’ny volana fahasivy; nipetraka teo amin’ny toerana malalaka akaikin’ny tranon’Andriamanitra ny olona rehetra ka nangovitra noho izany zavatra izany sy noho ny ranonorana be.
10
Dia nitsangana i Ezra mpisorona ka niteny taminy hoe: Ianareo dia efa nanao izay mahadiso satria naka vehivavy hafa firenena ho vadinareo ka nampitombo ny fahadisoan’ny Israely.
11
Koa mitsora amin’NY TOMPO Andriamanitry ny razanareo ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
12
Dia namaly ny fiangonana manontolo ka niredona mafy hoe: Izay lazainao dia tsy maintsy hataonay.
13
Nefa maro ny olona, ary fahavaratra ny andro, ka tsy mahatoetra etỳ alatrano izahay, sady raharaha tsy vita indray andro na indroa andro aza izao, fa maro izahay no efa nanota tamin’izany zavatra izany;
14
koa aoka ny mpanapaka anay no hitoetra eto ho solon’ny fiangonana rehetra ary ny olona rehetra any amin’ny tanànantsika avy izay naka vehivavy hafa firenena ho vadiny no aoka hankaty amin’izay fotoanandro hatao, ary hiaraka aminy koa ny loholony isan-tanàna sy ny mpitsara ao, mandra-pahavitan’izany raharaha izany sy ny hialan’ny firehetan’ny fahatezeran’Andriamanitsika amintsika.
15
I Jonatana zanak’i Asahela sy i Jahaza, zanak’i Tikva ihany no nanohitra izany; niandany taminy koa i Mesolama sy i Sabetahy levita.
16
Fa ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana kosa dia nanaraka izany; ary natokana i Ezra mpisorona sy ny sasany amin’ny lohan’ny fianakaviana, araka ny fianakaviany avy, sady samy efa notononina anarana; dia nipetraka handinika izany raharaha izany izy ireo tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo.
17
Nony tonga ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany dia vitany ny raharaha ny amin’ny lehilahy rehetra izay efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny.
18
Ny hita teo amin’ny taranaky ny mpisorona fa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny dia ireto: Ny teo amin’ny taranak’i Josoa, zanak’i Jozadaka, sy ny rahalahiny dia i Mahaseia, i Eliezera, i Jariba ary i Gedalia;
19
dia nanolo-tanana nanaiky hisaotra ny vadiny izy ireo sady handoa ondrilahy iray avy ho fanati-panonerany.
20
Ny avy tamin’ny taranak’Imera dia i Hanany sy i Zebedia;
21
ny avy tamin’ny taranak’i Harima dia i Mahaseia, i Elia, i Semaia, i Jehiela ary i Ozia;
22
ny avy tamin’ny taranak’i Pasora dia i Elioenay, i Mahaseia, Ismaela, i Netanela, i Jozabada ary i Elasa.
23
Ny avy tamin’ny levita* dia i Jozabada, i Simey, i Kelaia na i Kelita izany mbamin’i Petahia sy i Joda ary i Eliezera.
24
Ny avy tamin’ny mpihira dia i Eliasiba; ary ny avy tamin’ny mpiandry varavarana dia i Saloma sy i Talema ary i Ory.
25
Ny avy tamin’ny Israely kosa dia ireto avy: Ny avy tamin’ny taranak’i Parosy dia i Ramia, i Jizia, i Malkia, i Miamina, i Eleazara, i Malkia ary i Benaia;
26
ary ny avy tamin’ny taranak’i Elema dia i Matania, i Zakaria, i Jehiela, i Abdia, i Jeremota ary i Elia;
27
ny avy tamin’ny taranak’i Zato dia i Elioenay, i Eliasiba, i Matania, i Jeremota, i Zabada ary i Aziza;
28
ny avy tamin’ny taranak’i Bebay dia i Johanana, i Hanania, i Zabay ary i Atlay;
29
ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Mesolama, i Maloka, i Adaia, i Jasoba, i Seala ary i Ramota;
30
ny avy tamin’ny taranak’i Pahata-Moaba dia i Adna, i Kelala, i Benaia, i Mahaseia, i Matania, i Bezalila, i Binoy ary i Manase;
31
ny avy tamin’ny taranak’i Harima dia i Eliezera, i Jisia, i Malkia, i Semaia, i Simeona,
32
i Benjamina, i Maloka ary i Semaria;
33
ny avy tamin’ny taranak’i Hasoma dia i Matenay, i Matata, i Zabada, i Elifeleta, i Jeremay, i Manase ary i Simey;
34
ny avy tamin’ny taranak’i Bany dia i Maday, i Amrama, i Oela,
35
i Benaia, i Bedeia, i Keloho,
36
i Vania, i Meremota, i Eliasiba,
37
i Matania, i Matenay, i Jasao,
38
i Bany, i Binoy, i Simey,
39
i Selemia, i Natana, i Adaia,
40
i Maknadebay, i Sasay, i Saray,
41
i Azarela, i Selemia, i Semaria,
42
i Saloma, i Amaria ary i Josefa;
43
ary ny avy tamin’ny taranak’i Nebo dia i Jeiela, i Matitia, i Zabada, i Zebina, i Jadao, i Joela ary i Benaia.
44
Ireny rehetra ireny no samy efa naka vehivavy hafa firenena ho vadiny avokoa sady efa niteraka ny vehivavy sasany tamin’ireny.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10