bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Ezra 8
Ezra 8
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 9 →
1
Ireto no lohan’ny fianakaviana sy ny filazana ny firazanan’ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babilona tamin’ny nanjakan’i Artaksersesy mpanjaka:
2
I Gersoma, avy tamin’ny taranak’i Finehasa; i Daniela, avy tamin’ny taranak’Itamara; i Hatosy avy tamin’ny taranak’i Davida;
3
avy tamin’ny taranak’i Sekania, avy tamin’ny zanak’i Parosy, i Zakaria mbamin’ny namany dimampolo amby zato lahy, voasoratra araka ny firazanany;
4
i Elihoenay, zanak’i Zerahia, avy tamin’ny taranak’i Pahata-Moaba, mbamin’ny namany roanjato lahy;
5
ny zanak’i Jahaziela, avy tamin’ny taranak’i Sekania, mbamin’ny namany telonjato lahy;
6
i Ebeda, zanak’i Jonatana, avy tamin’ny taranak’i Adina, mbamin’ny namany dimampolo lahy;
7
i Jesaia, zanak’i Atalia, avy tamin’ny taranak’i Elama, mbamin’ny namany fitopolo lahy;
8
i Zebadia, zanak’i Mikaela, avy tamin’ny taranak’i Sefatia, mbamin’ny namany valopolo lahy;
9
i Obadia, zanak’i Jehiela, avy tamin’ny taranak’i Joaba, mbamin’ny namany valo amby folo sy roanjato lahy;
10
ny zanak’i Josifia, avy tamin’ny taranak’i Selomita, mbamin’ny namany enimpolo amby zato lahy;
11
i Zakaria, zanak’i Bebay, avy tamin’ny taranak’i Bebay, mbamin’ny namany valo amby roapolo lahy;
12
i Johanana, zanak’i Hakatana, avy tamin’ny taranak’i Azgada, mbamin’ny namany folo amby zato lahy;
13
ary ny avy tamin’ny taranak’i Adonikama dia ireo zandriny tatỳ aoriana; izao avy no anarany: I Elifeleta sy i Jeiela ary i Semaia mbamin’ny namany enimpolo lahy;
14
ary avy tamin’ny taranak’i Bigvay, i Otahy sy i Zaboda, mbamin’ny namany fitopolo lahy.
15
Dia novoriko teo amoron’ny ony mankany Ahava izy ireo ka nilasy teo nandritra ny hateloana izahay; nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho dia nahita fa tsy nisy taranak’i Levy teo na dia iray akory aza.
16
Dia nirahiko i Eliezera, i Ariela, i Semaia, i Elnatana, i Jariba, i Elnatana, i Natana, i Zakaria ary i Mesolama, samy loholona ireo; mbamin’i Joariba sy i Elnatana; samy mpampianatra kosa ireo.
17
Nampitondraiko teny ho any amin’Ido, loholona any Kasifia ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin’Ido sy ny Netinima* rahalahiny any Kasifia mba hoentiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny tranon’Andriamanitray.
18
Ary araka ny soa nataon’ny tanan’Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry iray ho any aminay avy tamin’ny taranak’i Maly, zanak’i Levy, zanak’Israely, ary i Serebia sy ny zanany mbamin’ny rahalahiny, valo amby folo lahy,
19
ary i Hasabia sy Isaia, avy tamin’ny taranak’i Merary, mbamin’ny rahalahiny ary ny zanany roapolo lahy;
20
avy tamin’ny Netinima, izay notendren’i Davida sy ny mpanapaka mba hanompo ny levita*, dia roapolo sy roanjato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
21
Dia niantso andro fifadian-kanina teo amoron’ny ony Ahava aho mba hampahorianay tena eo anatrehan’Andriamanitray ka hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an’ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
22
Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin’ny mpanjaka hiaro anay amin’ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin’ny mpanjaka izahay hoe: Mahasoa izay rehetra mitady Azy ny tanan’Andriamanitray; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa dia mamely izay rehetra mahafoy Azy.
23
Dia nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin’Andriamanitray; dia nihaino anay Izy.
24
Ary nanokana roa amby folo lahy tamin’ny lehiben’ny mpisorona aho, dia i Serebia sy i Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
25
ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin’ny fanaka, dia fanomezana ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray, izay efa natokan’ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainany sy ireo mpanapaka ary ny Israely rehetra izay vory teo;
26
eny, nolanjaiko hatolotra azy ny volafotsy dimampolo sy eninjato talenta*, fanaka volafotsy milanja talenta zato, ary volamena talenta zato
27
sy kapoaka volamena misarona roapolo, milanja arivo drakma*, ary fanaka varahina tsara roa, sarobidy toy ny volamena.
28
Ary hoy aho taminy: Masina ho an’NY TOMPO ianareo sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanatitra an-tsitrapo ho an’NY TOMPO Andriamanitry ny razanareo.
29
Koa miambena ianareo ka tandremo ireny mandra-pandanjanareo azy indray eo anatrehan’ny lehiben’ny mpisorona sy ny levita ary ny lohan’ny fianakaviana amin’ny Israely any Jerosalema, dia ao amin’ny efitrano ao amin’ny tranon’NY TOMPO.
30
Dia noraisin’ny mpisorona sy ny levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba hoentiny ho any Jerosalema ho ao amin’ny tranon’Andriamanitray.
31
Dia niala teo amin’ny ony Ahava izahay tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana voalohany fa hankany Jerosalema; ary ny tanan’Andriamanitray nomba anay, koa Izy no namonjy anay tamin’ny tanan’ny fahavalo sy ny mpanao vela-pandrika teny an-dalana.
32
Nony tonga tany Jerosalema izahay dia nijanona hateloana aloha.
33
Ary tamin’ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tanan’i Meremota, zanak’i Oria mpisorona, tao amin’ny tranon’Andriamanitray; ary teo aminy koa i Eleazara, zanak’i Finehasa; teo amin’izy roa lahy koa i Jozabada, zanak’i Josoa, sy i Noadia, zanak’i Binoy; levita* izy roa lahy ireo;
34
voaisa sy voalanja izany rehetra izany; ary voasoratra tamin’izany andro izany ihany ny lanjany rehetra.
35
Ary ny olona izay niverina avy tamin’ny fahababoana dia nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’Andriamanitry ny Israely, dia vantotra ombilahy roa amby folo ho an’ny Israely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak’ondry fito amby fitopolo ary osilahy roa amby folo ho fanatitra noho ny ota: Fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO ireo rehetra ireo.
36
Ny didin’ny mpanjaka kosa dia natolony tamin’ireo solontenany sy ireo governora tamin’ny etỳ andafin’ny ony Eofrata; ary izy ireo dia nampandroso ny olona sy ny tranon’Andriamanitra.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10