bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
2 Chronicles 11
2 Chronicles 11
malagasy
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
1
[Ny nanjakan-dRehoboama] Ary nony tonga tany Jerosalema Rehoboama, dia novoriny ny taranak'i Joda sy Benjamina, dia miaramila valo alina amby iray hetsy voafantina, hiady amin'ny Isiraely hampody ny fanjakana ho an-dRehoboama.
2
Kanjo kosa ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Semaia, lehilahin'Andriamanitra, ka nanao hoe:
3
Mitenena amin-dRehoboama, zanak'i Solomona, mpanjakan'ny Joda, sy amin'ny Isiraely rehetra amin'ny Joda sy ny Benjamina hoe:
4
Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.
5
Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda.
6
Ny namboariny dia izao: Betlehema sy Etama sy Tekoa
7
sy Beti-zora sy Soko sy Adolama
8
sy Gata sy Maresa sy Zifa
9
sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka
10
sy Zora sy Aialona ary Hebrona, izay tanàna mimanda ao amin'ny Joda sy ny Benjamina.
11
Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.
12
Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy.
13
Ary ny mpisorona sy ny Levita izay teo amin'ny Isiraely rehetra dia nanatona azy avy tany amin'ny fari-taniny avy.
14
Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah,
15
fa nanendry mpisorona ho amin'ny fitoerana avo sy ho an'ny Seïrima ary ho an'ny ombilahy kely izay nataony). [Heb. osilahy; anaran'andriamani-tsi-izy]
16
Ary na iza na iza tamin'ny firenen'Isiraely rehetra no nanolotra ny fony hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, dia nanaraka ireo nankany Jerosalema hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
17
Ka dia nampahery ny fanjakan'ny Joda izy sady nampahavitrika an-dRehoboama, zanak'i Solomona, telo taona; fa nandeha tamin'ny lalan'i Davida sy Solomona telo taona izy.
18
Ary Rehoboama naka an'i Mahalota, zanakavavin'i Jerimota, zanak'i Davida, sy Abihaila, zanakavavin'i Eliaba, zanak'i Jese, ho vadiny,
19
izay nahazoany zaza, dia Jeosy sy Semaria ary Zahama.
20
Ary nanarakaraka azy, dia nalainy koa Imaka, zanakavavin'i Absaloma, izay niteraka an'i Abia sy Atahy sy Ziza ary Selomita taminy.
21
Ary Rehoboama tia an'Imaka, zanakavavin'i Absaloma, mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsindranony rehetra (fa naka vady valo ambin'ny folo sy vaditsindrano enim-polo izy ka niteraka lahy valo amby roa-polo sy vavy enim-polo).
22
Ary Abia, zanakalahin'Imaka, no nataon-dRehoboama lohany ho mpanapaka ny rahalahiny; fa izy no efa nokasainy hampanjakaina.Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
23
Ary hendry izy ka nampiely ny zanany eran'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra, dia tany amin'ny tanàna mimanda rehetra, ka nomeny hanina betsaka sady nitadiavany vady maro.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36