bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
2 Chronicles 3
2 Chronicles 3
malagasy
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
1
[Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita.
2
Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany.
3
Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho.
4
Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny.
5
Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma]
6
Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima.
7
Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina.
8
Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy
9
Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa.
10
Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena.
11
Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray;
12
ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray.
13
Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano.
14
Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany.
15
Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary.
16
Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
17
Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36