bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Leviticus 17
Leviticus 17
malagasy
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 18 →
1
[Ny amin'ny hamonoana ny biby hatao fanatitra, sy ny amin'ny mifady rà] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2
Mitenena amin'i Arona sy ny zanany ary ny Zanak'Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian'i Jehovah:
3
Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely no mamono omby, na zanak'ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan'ny toby,
4
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an'i Jehovah eo anoloan'ny tabernakelin'i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy,
5
mba ho entin'ny Zanak'isiraely ho an'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ho amin'ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah izany.
6
Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin'ny alitaran'i Jehovah eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
7
Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an'ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin'ny taranany fara mandimby izany.
8
Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
9
ka tsy mitondra azy ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an'i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny.
10
Ary na iza na iza amin'ny taranak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin'ny fireneny izy.
11
Fa ny ain'ny nofo dia amin'ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin'ny alitara hanao fanavotana ho an'ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
12
Koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
13
Na iza na iza amin'ny Zanak'Isiraely, na amin'ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin'ny tany ny ràny ka hototofany;
14
fa ny amin'ny amin'ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran'ny nofo; fa ny ràny no ain'ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
15
Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin'ny rano, ary haloto mandra-paharivan'ny andro izy, vao hadio.Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
16
Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27