bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
malagasy
/
Leviticus 2
Leviticus 2
malagasy
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 3 →
1
[Ny fanatitra hohanina] Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
2
Ary hitondra azy ho amin'ireo mpisorona, zanak'i Arona, izy, dia handraofan'ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran'ny mpisorona ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
3
Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
4
Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin'ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin'ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
5
Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin'ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
6
Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
7
Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin'ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
8
Ary ho entinao ho an'i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin'ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin'ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin'ny alitara.
9
Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara; dia fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izany.
10
Ary ny sisa amin'ny fanatitra hohanina dia ho an'i Arona sy ny zanany; ho masina dia masina avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
11
Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an'i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah;
12
fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an'i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin'ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
13
Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran'ny faneken'Andriamanitrao dia aza atsahatra amin'ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin'ny fanatitrao rehetra.
14
Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an'i Jehovah avy amin'ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin'ny afo, dia lango avy amin'ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin'ny voaloham-bokatrao.
15
Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
16
Ary hodoran'ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny langony sy avy amin'ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27