bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Kings 14
2 Kings 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 15 →
1
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Jôasa, zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely, no vao nanjaka i Amasiasa zanak’i Jôasa, mpanjakan’i Jodà.
2
Efa 25 taona izy fony vao nanjaka ary 29 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jôadàna avy any Jerosalema.
3
Nanao izay mahitsy eo imason’i Iaveh izy, nefa tsy dia tahaka an’i Davida rainy, fa tahaka izay rehetra nataon’i Jôasa rainy ihany no nataony.
4
Ny fitoerana avo anefa tsy mbola foana, mbola notohizin’ny vahoaka ny fanaterana sorona aman-java-manitra teny amin’ny fitoerana avo.
5
Nony azony mafy teo an-tanany ny fanjakana dia novonoiny ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.
6
Fa tsy novonoiny ny zanak’ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay misy ny didy nomen’i Iaveh izao: «Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy.»
7
Nandresy Edômita iray alina tao amin’ny Lohasahan-tSira izy, nananika nahafaka an’i Selà dia nomeny anarana hoe Jektehela io mandrak’androany.
8
Tamin’izany i Amasiasa nandefa iraka tany amin’i Jôasa zanak’i Jôakaza zanak’i Jehò mpanjakan’i Israely nanao hoe: «Avia, ary aoka hifankahita mifanatrika isika.»
9
Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely naniraka hamaly an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà: «Ny tsilo ao amin’i Libàna no naniraka hilaza tamin’ny hazo sedera ao amin’i Libàna hoe: Omeo ho vadin’ny zanako lahy ny zanakao vavy; ka ny biby dia ao amin’i Libàna nandalo nanosihosy ny tsilo.
10
Nandresy ny Edômita marina ianao, ka dia nisandratra ny fonao. Mireharehà ary mijanòna any aminao. Nahoana ianao no dia mihitsoka amin’ny loza; ka ho lavo ianao, dia ny tenanao sy i Jodà miaraka aminao?»
11
Tsy nihaino azy anefa i Amasiasa, ka dia niakatra i Jôasa mpanjakan’i Israely, ary nifankahita nifanatrika tao Bethsamesa izay an’i Jodà izy sy i Amasiasa mpanjakan’i Jodà.
12
Resy teo anoloan’i Israely i Jodà ka samy nandositra ho any an-dainy avy.
13
Ary i Jôasa mpanjakan’i Israely nisambotra an’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, zanak’i Jôasa zanak’i Okoziasa, tao Bethsamesa; nankany Jerosalema izy ka nahabanga ny mandan’i Jerosalema efajato hakiho, hatramin’ny vavahadin’i Efraima ka hatreo am-bavahady an-jorony.
14
Naka ny volamena amam-bolafotsy rehetra hita tao an-tranon’i Iaveh sy tao amin’ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka izy, ary olona natao antoka koa, vao niverina ho any Samaria.
15
Ny sisa amin’ny asan’i Jôasa mbamin’izay rehetra nataony sy ny niadiany tamin’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
16
Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôasa ka nalevina tao Samaria ao amin’ny mpanjakan’i Israely. I Jerôbôama zanany no nanjaka nandimby azy.
17
I Amasiasa zanak’i Jôasa mpanjakan’i Jodà kosa, dia mbola velona 15 taona, taorian’ny nahafatesan’i Jôasa zanak’i Jôakaza mpanjakan’i Israely.
18
Ny sisa tamin’ny asan’i Amasiasa moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà?
19
Nisy firaisan-tetika hikomy taminy, tany Jerosalema, ka nandositra nankany Lakisa izy, nefa nisy olona nirahina hanaraka azy any Lakisa ka novonoina tany izy;
20
dia nentina tamin’ny soavaly izy, nalevina tao Jerosalema ao amin’ny razany, amin’ny tanànan’i Davida.
21
Ka i Azariasa izay 16 taona, no nalain’ny vahoaka rehetra amin’i Jodà ka natsangany ho mpanjaka handimby an’i Amasiasa rainy.
22
Nanorina indray an’i Elata izy sy nampody azy mba ho an’i Jodà indray, rehefa nody mandry any amin’ny razany ny mpanjaka.
23
Tamin’ny taona faha-14 nanjakan’i Amasiasa mpanjakan’i Jodà no nanjakan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa mpanjakan’i Israely tany Samaria. Nanjaka 41 taona izy.
24
Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa tsy nisy nialany ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, izay nampanota an’i Israely.
25
Izy no nampody ny sisin-tanin’i Israely, ho araka ny faritany taloha, hatramin’ny hadilalan’i Emata ka hatramin’ny Ranomasin’i Arabah, araka ny tenin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely nolazainy tamin’ny alalan’ny mpanompony Jônasa mpaminany zanak’i Amatì, avy any Gety-Kefera.
26
Fa hitan’i Iaveh ny fahoriana mangidy indrindra nanjò an’i Israely, izay tsy nisy afa-namonjy an’i Israely, na olona manambady, na olona afaka, na olona iza na iza.
27
Tsy mbola naraikitr’i Iaveh anefa ny hamono ny anaran’i Israely eo ambanin’ny lanitra, ka ny tanan’i Jerôbôama zanak’i Jôasa no namonjen’i Iaveh azy ireo.
28
Ny sisa tamin’ny asan’i Jerôbôama izay rehetra nataony, ny herim-po nasehony, ny niadiany sy nampodiany an’i Damasa sy i Etama izay an’i Jodà taloha, mba ho an’i Israely, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely va izany?
29
Ary nody mandry any amin’ny razany i Jerôbôama dia eny amin’ny mpanjakan’i Israely, ka i Zakariasa zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25