bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Kings 20
2 Kings 20
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 21 →
1
Tamin’izany andro izany, narary efa ho faty i Ezekiasa. Ka tonga tao aminy i Izaia zanak’i Amôsa nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Ataovy izay hafatrao amin’ny ankohonanao, fa efa ho faty ianao, fa tsy ho velona intsony.»
2
Dia nitodika nankany amin’ny rindrina kosa i Ezekiasa, ka nivavaka tamin’i Iaveh nanao hoe:
3
«Iaveh ô, tsarovy fa nandeha teo anatrehan’ny tavanao aho, tamim-pahamarinana sy tamin’ny fo mahitsy, ary nanao izay tsara teo imasonao!» Sady nirotsaka be dia be ny ranomason’i Ezekiasa.
4
Tsy mbola lasa nivoaka hatrany amin’ny kianja afovoany akory i Izaia, dia tonga taminy ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
5
«Miverena ianao, ka lazao amin’i Ezekiasa mpanapaka ny vahoakako hoe: Izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Davida rainao: Reko ny vavakao, ary hitako ny ranomasonao, ka indro sitraniko ianao; ao anatin’ny hateloana dia hiakatra ao an-tranon’i Iaveh ianao,
6
hampiako 15 taona ny andronao. Hovonjeko amin’ny tanan’ny mpanjakan’i Asiria ianao sy ity tanàna ity, hiaro ity tanàna ity Aho, noho ny amin’ny Tenako sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.»
7
Dia hoy i Izaia: «Makà ampempan’aviavy.» Dia nalaina izany, dia napetaka tamin’ny boiboika dia sitrana i Ezekiasa.
8
Efa niteny tamin’i Izaia i Ezekiasa nanao hoe: «Inona no famantarana ny fanasitranan’i Iaveh ahy, sy hiakarako any an-tranon’i Iaveh ao anatin’ny hatelona?»
9
Ary hoy i Izaia: «Izao no famantarana ho anao avy amin’i Iaveh, hahalalanao fa ho tanterahin’i Iaveh ny teny voalazany: handroso ambaratonga folo va ny aloka sa hihemotra ambaratonga folo?»
10
Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Zavatra kely ny handrosoan’ny aloka ambaratonga folo, fa aoka hihemotra ambaratonga folo izy.»
11
Tamin’izay nangataka tamin’i Iaveh ny mpaminany ka nahemony ambaratonga folo ny aloka teo amin’ny ambaratongan’i Akaza, dia teo amin’ny ambaratonga efa nidinany.
12
Tamin’izany andro izany ihany koa, no nampitondran’i Merôdàka-Baladàna zanak’i Baladàna mpanjakan’i Babilôna taratasy sy fanomezana ho an’i Ezekiasa, satria reny fa hoe narary i Ezekiasa.
13
Faly tamin’ireo iraka i Ezekiasa, ka naneho tamin’ireo ny trano rehetra fitahirizan-java-tsoany, dia ny volafotsy sy ny volamena, ny zava-manitra sy menaka sarobidy, ary ny trano fitahirizam-piadiany, mbamin’izay rehetra tao amin’ny firaketana: tsy nisy tsy nasehon’i Ezekiasa tamin’izy ireo, na ny tao an-tranony, na ny tamin’ny taniny.
14
Fa tonga tao amin’i Ezekiasa mpanjaka kosa i Izaia mpaminany, ka nanao taminy hoe: «Ahoana no nolazain’ireny olona ireny, ary avy aiza moa izy ireny no tonga tatỳ aminao?» Dia hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Avy amin’ny tany lavitra izy, dia avy any Babilôna.»
15
Ary hoy ny mpaminany: «Inona avy no hitany tao an-tranonao?» Ka hoy ny navalin’i Ezekiasa: «Hitany avokoa izay tato an-tranoko rehetra, tsy misy tsy nasehoko azy ny tao amin’ny firaketako.»
16
Dia hoy i Izaia tamin’i Ezekiasa: «Henoy ny tenin’i Iaveh:
17
Indro, ho avy ny andro hitondran’ny olona ho any Babilôna, izay rehetra ao an-tranonao sy izay nangonin’ny razanao hatramin’izao andro izao, tsy hisy hijanona amin’izany, na inona na inona, hoy i Iaveh.
18
Ary ny zanakao izay naloaky ny kibonao izay naterakao, dia hangalany hatao eonoka any an-dapan’ny mpanjakan’i Babilôna.»
19
Dia hoy ny navalin’i Ezekiasa tamin’i Izaia: «Tsara ny tenin’i Iaveh notononinao.» Dia hoy indray izy hoe: «Eny satria homba ahy amin’ny andro hiainako ny fiadanana sy ny hatezàna.»
20
Ny sisa tamin’ny asan’i Ezekiasa, ny herim-po nasehony, ny nanaovany ny kamory aman-dakan-drano mbamin’ny nitarihany rano ho ao an-tanàna, dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà.
21
Ary nody mandry any amin’ny razany i Ezekiasa ka i Manase zanany no nanjaka nandimby azy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25