bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
2 Kings 24
2 Kings 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 25 →
1
Fony fahavelony dia lasa niantafika i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna, ka nanoa azy telo taona i Jôakima; fa niodina taminy indray izy.
2
Nalefan’i Iaveh hamely an’i Jôakima ny antoko-miaramila Kaldeanina, ny antoko-miaramila Sirianina, ny antoko-miaramila Moabita, ary ny antoko-miaramila Amônita, ka ny nandefasany an’ireo hamely an’i Jodà, dia ny mba handravany azy, araka ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony.
3
Lahatr’i Iaveh tokana ihany no nahatongavan’izany tamin’i Jodà mba hanesorany azy tsy ho eo anatrehan’ny Tavany, noho ny fahotana rehetra nataon’i Manase,
4
sy noho ny ra tsy manan-tsiny nalatsany be loatra ka nataony feno ra tsy manan-tsiny i Jerosalema, koa tsy nety namela izany i Iaveh.
5
Ny sisa tamin’ny asan’i Jôakima mbamin’izay rehetra nataony, moa tsy dia efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà va izany?
6
Ary nody mandry any amin’ny razany i Jôakima, ka i Joasina zanany no nanjaka nandimby azy.
7
Tsy nivoaka avy tany amin’ny taniny intsony ny mpanjakan’i Ejipta, fa lasan’ny mpanjakan’i Babilôna avokoa izay an’ny mpanjakan’i Ejipta, hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, ka hatramin’ny ony Eofrata.
8
18 taona i Joasina fony vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Nohestà zanak’i Elnatàna avy ao Jerosalema.
9
Nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh araka izay rehetra nataon-drainy izy.
10
Niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna tamin’izany, ka natao fahirano ny tanàna.
11
Ary mbola nanao fahirano azy ny mpanompony no tonga teo anoloan’ny tanàna koa i Nabokodonozora mpanjakan’i Babilôna.
12
Tamin’izany dia nivoaka nankao amin’ny mpanjakan’i Babilôna i Joasina, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny reniny, ny mpanompony, ny manamboninahiny sy ny eonòkany, dia nataon’ny mpanjakan’i Babilôna sambo-belona izy, tamin’ny taona fahavalo nanjakany.
13
Nongoahina tao avokoa ny rakitra rehetra tao an-tranon’i Iaveh sy tao an-tranon’ny mpanjaka, ary novakina daholo ny fanaka volamena nataon’i Salômôna, mpanjakan’i Israely, tao an-tranon’i Iaveh, araka izay efa voalazan’i Iaveh rahateo.
14
Nentina ho babo avokoa i Jerosalema manontolo, ny mpifehy rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olon-tsambo-belona iray alina, mbamin’ny mpanao taozavatra rehetra sy ny mpanefy vy; ny olo-mahantra tao amin’ny tany ihany no sisa tafajanona.
15
Nentina ho any Babilôna i Joasina, nentiny ho babo avy any Jerosalema ho any Babilôna ny renin’ny mpanjaka, ny vadin’ny mpanjaka rehetra, ny eonòkany, ny olo-malaza amin’ny tany.
16
Fanampin’izany koa ny lehilahy mahery rehetra nisy fito arivo, mbamin’ny mpanao taozavatra sy mpanefy vy arivo lahy, samy lehilahy mahery sy mahay miady, dia nentin’ny mpanjakan’i Babilôna ho babo any Babilôna daholo.
17
Ary ny natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho mpanjaka hisolo an’i Joasina, dia i Mataniasa rahalahin-drainy, ka novany hoe i Sedesiasa ny anarany.
18
21 taona i Sedesiasa fony vao nanjaka, ary nanjaka 11 taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Amitala zanak’i Jeremia avy ao Lobnà.
19
Nanao izay ratsy teo imason’i Iaveh izy, fa naka tahaka izay rehetra nataon’i Jôakima.
20
Nihatra tamin’i Jerosalema sy i Jodà izany, noho ny hatezeran’i Iaveh, mandra-panesorany azy hiala eo anatrehan’ny Tavany. Ary niodina tamin’ny mpanjakan’i Babilôna i Sedesiasa.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25