bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joel 1
Joel 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
1
Tenin’i Iaveh tonga tamin’i Joely zanak’i Fatoely.
2
Mihainoa an’izao ianareo anti-panahy; mitongilàna sofina ianareo rehetra monina amin’ny tany! Mba efa nisy toy izao va tamin’ny andronareo, na tamin’ny andron’ny razanareo?
3
Aoka hilaza izao ianareo amin’ny zanakareo, ny zanakareo amin’ny zanany, ary ny zanak’izy ireo, amin’ny taranaka mandimby azy.
4
Ny sisan’ny Gazàna nohanin’ny valala; ny sisan’ny valala nohanin’ny ieleka ny sisan’ny ieleka nohanin’ny kasila.
5
Mifohaza ianareo mpimamo, ka mitomania; ianareo rehetra mpisotro divay dia midradradradrà, noho ny amin’ny divay vaovao; izay notapahina tsy ho amin’ny vavanareo intsony.
6
Fa misy firenena niakatra tamin’ny taniko sady mahery no tsy hita isa; ka ny nifiny dia nifin-diona; ary ny vazany vazan-diom-bavy.
7
Nosimbany ny voaloboko; notapatapahiny ny aviaviko; dia nataony makiky sady nazerany ireny; ary tonga tena fotsy mihitsy ny rantsany.
8
Midradradradrà ianao toy ny virjiny mitafy lasàka hitomany ny vadin’ny fahatanorany.
9
Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh; misaona ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh!
10
Simba ny saha; misaona ny tany, fa levona ny vary, mangaihay ny divay vaovao, reraka ny diloilo.
11
Mangaihaiza, ry mpiasa tany, midradradradrà ry mpamboly voaloboka, noho ny amin’ny vary sy ny orja; satria majifa ny vary hojinjaina any an-tsaha.
12
Mangaihay ny voaloboka, ary reraka ny aviavy; ny ampongabendanitra mbamin’ny antrendry sy ny paoma, dia ny hazo rehetra any an-tsaha, no efa maina avokoa; menatra ny hafaliana ka nihataka lavitra ny zanak’olombelona.
13
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.
14
Miantsoa fifadian-kanina; mamoria ny fiangonana; vorio ny loholona, izay rehetra monina amin’ny tany, ao an-tranon’i Iaveh Andriamanitrareo,
15
ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh! Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»
16
Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon’ny Andriamanitsika?
17
Maina tao ambany bainga ny voa nafafy; foana ny sompitra; mirodana ny trano fitahirizana, satria mangaihay ny vary.
18
Endrey izany fitolokon’ny biby; Mihoalahoala ny andian’omby, satria tsy manan-kanina izy, miferinaina mbamin’ny andian’ondry.
19
Mitaraina aminao aho, Iaveh ô, fa levon’ny afo ny kijana an’efitra, voadoron’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.
20
Mimamamama miantso Anao hatramin’ny biby dia, satria ny renirano ritra; ny kijana an’efitra levon’ny afo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3