bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Joel 2
Joel 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
1
Tsofy ao Siôna ny anjomara; ary ampanenoy ao an-tendrombohitra masina ny trômpetra. Ary aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ny tany, fa tonga ny andron’i Iaveh, fa efa antomotra!
2
Andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy manjavona mainty! Toy ny fahazavan’ny maraina, manerana ny tendrombohitra, no iavian’ity firenena maro sady mahery, tsy mbola nisy toy izany hatrizay hatrizay, ary tsy hisy toy izany any aoriana any, hatramin’izay taon-ko avy amin’ny andro mbola ho ela indrindra.
3
Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.
4
Toy ny soavaly no fijery azy, ary toy ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5
Misy re hoatra ny firodorodon’ny kalesy mievotrevotra eny antampon-tendrombohitra; tahaka ny firohondrohon’ny lelafo, mandevona ny mololo; ary tahaka ny firenena mahery, voalahatra hiady.
6
Eo anoloan’izy ireo ny firenena, mangovitra matahotra, ny tarehy mivaloarika avokoa.
7
Mihazakazaka hoatra ny olo-mahery izy ireo, mananika ny manda, toy ny lehilahy mpiady, samy mandeha amin’ny lalany avy; fa tsy mifanjevo amin’ny lalana alehany akory.
8
Tsy mba misy mifanosika izy, fa samy mizotra amin’ny lalany avy; mirimorimo eo afovoan’ny zana-tsipìka izy, ary tsy mba mandrava laharana.
9
Miely eran’ny tanàna izy, mihazakazaka eo ambonin’ny manda, mananika ny trano, mitsofoka amin’ny varavarankely toy ny mpangalatra.
10
Eo anoloan’izy io, mihorohoro ny tany, mihozongozona ny lanitra, mihamaizina ny masoandro amam-bolana, ary mihamaloka ny kintana.
11
Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?
12
Na ankehitriny aza anefa, - teny marin’i Iaveh, - miverena amiko, amin’ny fonareo rehetra, amin’ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.
13
Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin’i Iaveh Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.
14
Iza moa no mahalala fa tsy mihemotra sy tsy hanenina, ary tsy hamela hitafiana eo aoriany izy, dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’i Iaveh Andriamanitsika?
15
Tsofy ao Siôna, ny trômpetra, miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana.
16
Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efitranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.
17
Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôteliny, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh, hitomany ka hanao hoe: «Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao, aza atolotrao halaim-baraka ny lovanao, ka hataon’ny firenena fandatsa. Ahoana no dia anaovanao any amin’ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?»
18
Nentanin’ny fahasaro-piaro ny taniny i Iaveh ka namindra fo ny vahoakany.
19
Dia namaly i Iaveh ka nanao tamin’ny vahoakany hoe: «Indro ianareo efa nandefasako vary, sy divay vaovao aman-diloilo, dia ho vokin’izany ianareo; ary tsy hataoko fandatsa any amin’ny firenena intsony ianareo.
20
Hampanalaviriko anareo ilay avy any avaratra, ka horoahiko ho any amin’ny tany karankaina sy efitra izy; Ny lohalalany ho any amin’ny ranomasina atsinanana. Ny vodilalany ho any amin’ny ranomasina andrefana; ka fofona mantsina no hanetona avy aminy, ary hiakatra ny fahamaimboany!» Satria nahefa zava-dehibe izy!
21
Aza matahotra, ry tany, fa mifalia sy miravoravoa, satria nanao zava-dehibe i Iaveh!
22
Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa ny kijana any an’efitra efa nihamaitso indray, ny hazo, efa namoa; ny aviavy amam-boaloboka nanolotra ny vokany sarobidy
23
Ary ianareo, ry zanak’i Siôna, aoka hientan-kafaliana sy ho ravoravo ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo; fa ny mpampianatra efa nomeny anareo hanoro ny marina, ny andro alatsany ho anareo, dia ny fara orana sy ny loha orana, toy ny taloha indray.
24
Ho feno vary ny famoloanareo; ary ho tondraka ny divay vaovao aman-diloilo ao amin’ny barìka.
25
Honerako aminareo ny taona nolevonin’ny valala sy ny ieleka ary ny kasila sy ny gazàna, izay tafiko lehibe efa nalefako hamely anareo.
26
Hihinana be ianareo ka ho voky, dia hidera ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrareo, izay nanao zava-mahagaga ho anareo; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako, na oviana na oviana.
27
Dia ho fantatrareo fa eo afovoan’i Israely Aho! Izaho no Iaveh Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa intsony; ary tsy ho menatra intsony ny vahoakako na oviana na oviana!
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3