bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Judges 10
Judges 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 11 →
1
I Tolà zanak’i Foà, zanak’i Dôdao, lehilahy amin’i Isakara, no nitsangana hamonjy an’i Israely, taorian’i Abimeleka. Tany Samira amin’ny tendrombohitr’i Efraima izy no nonina.
2
Telo amby roapolo taona no naha-mpitsara azy tamin’i Israely; dia maty izy, ka nalevina tao Samira.
3
Nitsangana nanaraka azy i Jaira any Galaada izay nitsara an’i Israely nandritra ny roa amby roapolo taona.
4
Izy nanan-janaka telopolo lahy, izay nitaingina ampondra telopolo sy nanan-tanàna telopolo, izay mbola antsoina mandraka androany hoe, Tranon’i Jaira, ary any amin’ny tany Galaada no nisy azy.
5
Maty i Jaira ka nalevina ao Kamôna.
6
Ary nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh ny zanak’i Israely. Izy ireo nanompo ny Baala sy ny Astarte, ny andriamanitr’i Siria, ny andriamanitr’i Sidona, ny andriamanitr’i Moaba, ny andriamanitry ny taranak’i Amôna, ary ny andriamanitry ny Filistinina, ary nandao an’i Iaveh sy tsy nanompo Azy intsony.
7
Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka namidiny ho eo an-tanan’ny Filistinina izy, sy ho eo an-tanan’ny taranak’i Amôna.
8
Nampahorin’ireo sy notorotoroin’ireo tamin’izany taona izany ny zanak’i Israely; ary nampahoriny valo ambin’ny folo taona ny zanak’i Israely rehetra, izay nonina tany andafin’i Jordany amin’ny tanin’ny Amôreana, any Galaada.
9
Ny taranak’i Amôna nita an’i Jordany hamely an’i Jodà sy i Benjamina mbamin’ny taranak’i Efraima ka dia tra-pahoriana mafy i Israely.
10
Koa dia velon-taraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely, nanao hoe: «Nanota taminao izahay, fa nahafoy ny Andriamanitray, ka nanompo ny Baala».
11
Ary hoy i Iaveh tamin’ny zanak’i Israely: «Moa tsy efa nanafaka anareo va Aho, tamin’ny Ejiptianina sy ny Amôreana ary ny taranak’i Amôna, mbamin’ny Filistinina?
12
Raha nampahorin’ny Sidonianina sy i Amaleka ary i Madiàna koa ianareo, ka nitaraina tamiko, moa tsy efa namonjy anareo tamin’ny tanany va Aho?
13
Nefa ianareo kosa dia nandao Ahy ary nanompo andriamani-kafa, koa tsy hamonjy anareo intsony Aho.
14
Fa mandehana mitaraina amin’ireo andriamanitra efa nofidinareo, ireo no hamonjy anareo amin’ny andron’ny fahoriana».
15
Dia hoy ny zanak’i Israely tamin’i Iaveh: «Efa nanota izahay, ka ataovy aminay izay heverinao ho mety. Kanefa mba afaho aloha izahay amin’ity andro ity».
16
Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an’i Iaveh izy ireo; koa ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’i Israely.
17
Nivory ny taranak’i Amôna sy nitoby tao Balaada, ary ny zanak’i Israely kosa niangona nitoby tany Masfà.
18
Dia nifampilaza ny vahoaka, ny lehiben’i Galaada, nanao hoe: «Iza no lehilahy hanomboka ady voalohany amin’ny taranak’i Amôna? Dia izy no ho filohan’ny mponina rehetra amin’i Galaada».
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
Recommended Reading
Commentary
Judges Commentaries
→
Devotional
Judges Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→