bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Judges 21
Judges 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
1
Tany Masfà nianiana ny lehilahy amin’i Israely nanao hoe: «Tsy hisy hanome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita isika».
2
Nankany Betela ny vahoaka, ka nitoetra tao izy eo anatrehan’i Iaveh mandra-paharivan’ny andro. Nanandratra ny feony nitomany mafy dia mafy izy,
3
nanao hoe: «Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, ahoana re no nahatonga izao amin’i Israely; fa fongotra androany ity ny fokon’i Israely iray».
4
Nony ampitso nifoha maraina koa ny vahoaka dia nanorina ôtely teo, ka nanolotra sorona dorana sy sorom-pihavanana.
5
Ary hoy ny zanak’i Israely: «Iza amin’ny fokon’i Israely rehetra no tsy niakatra namonjy ny fiangonana teo anatrehan’i Iaveh?» Fa efa nisy voady natao ampahibemaso, namely an’izay tsy hiakatra hankany amin’i Iaveh any Masfà manao hoe: «Hoheloin-ko faty izy.»
6
Nalahelo an’i Benjamina rahalahiny ny zanak’i Israely, ka nanao hoe: «Ny foko iray no fongotra amin’i Israely androany.
7
Inona re no hataontsika ho azy, mba hahazoan’ireo sisa vady? Fa isika efa nianiana tamin’i Iaveh tsy hanome ny zanatsika ho vadin’izy ireo.»
8
Dia hoy izy: «Moa misy, na dia anankiray aza, amin’ny fokon’i Israely, tsy mba niakatra nankany amin’i Iaveh tany Masfà? Ary indro, ny tamin’i Jabesy any Galaada, no tsy mba nisy tonga tao an-toby amin’ny fiangonana.»
9
Fa nisaina ny olona ary indro fa tsy nisy tao ny mponina ao Jabesy any Galaada, na dia iray aza.
10
Koa naniraka lehilahy roa arivo sy iray alina anisan’ny mahery hamely azy ny fiangonana, ary nomeny didy hoe: «Mandehana asio amin’ny lelan-tsabatra ny mponina any Jabesy any Galaada, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy.
11
Izao no hataonareo: ataovy anatema ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy.»
12
Dia nahita zazavavy virjiny efajato tsy mbola nahalala lahy fa tsy nandry tamin-dehilahy izy ireo, teo amin’ny mponina any Jabesy, any Galaada, ka nentiny nankany an-toby tany Silao izay any amin’ny tany Kanaana.
13
Ary ny fiangonana rehetra nandefa iraka hiteny amin’ny taranak’i Benjamina, tany amin’ny haram-baton’i Remôna sy hanambara ny fihavanana amin’izy ireo.
14
Dia niverina ny Benjaminita tamin’izany andro izany ka nomena azy ireo ny vehivavy navela ho velona tamin’ny vehivavy tany Jabesy, any Galaada, nefa tsy ampy hahenina azy ireo.
15
Nalahelo an’i Benjamina ny vahoaka, fa efa nanabangan’i Iaveh iray ny fokon’i Israely.
16
Ary hoy ny loholon’ny fiangonana: «Inona no hataontsika hahazoan’ireo sisa vady; fa efa ringana ny vehivavy tamin’i Benjamina?»
17
Dia hoy izy ireo: «Ny lovan’ireo afa-nandositra dia aoka ho raikitra fa an’i Benjamina ihany, mba tsy ho voafongotra amin’i Israely ny foko iray.
18
Fa isika tsy mahazo manome amin’ny zanatsika ho vadin’izy ireo», satria efa nianiana ny zanak’i Israely nanao hoe: «Ho voaozona anie izay manome ny zanany vavy ho vadin’ny Benjaminita.»
19
Dia hoy izy hoe: «Indro misy fetin’i Iaveh ankalazaina isan-taona any Silao», ilay tanàna ao avaratr’i Betela, atsinanan’ny lalana miakatra avy any Betela ho any Sikema ary atsimon’i Libàna,
20
ka nomeny didy ny taranak’i Benjamina, nataony hoe: «Mandehana ianareo, manao otrika ao amin’ny tanimboaloboka,
21
dia jereo, ka nony injay mivoaka hiara-mandihy ny zazavavin’i Silao, dia mivoaha avy ao an-tanimboaloboka, ka samia ianareo misambotra izay ho vadinareo amin’ny zazavavin’i Silao, dia handeha hankany amin’ny tanin’i Benjamina indray.»
22
Ary raha tonga mitaraina aminay ny rainy na ny anadahiny dia izao no holazainay aminy: «Mba avelao ho anay izy fa tsy nahazo vady ho azy tsirairay avy izahay, tamin’ny ady. Sady tsy ianareo no nanome azy ho azy ireo, fa raha izany no meloka ianareo.»
23
Dia nataon’ny taranak’i Benjamina izany, samy naka vady ho azy tamin’ny mpandihy nosamboriny, araka ny isany, izy ireo; ary niainga hody amin’ny lovany, dia nanorina ny tanànany indray sy nonina teo izy.
24
Tamin’izany andro izany dia niala teo ny zanak’i Israely, samy ho any amin’ny fokony sy ny fianakaviany; samy nody avy eo ho any amin’ny lovany avy. Tsy nisy mpanjaka teo amin’i Israely tamin’izany andro izany, fa samy nanao izay tsara...
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
Recommended Reading
Commentary
Judges Commentaries
→
Devotional
Judges Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→