bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Judges 12
Judges 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
1
Nivory ny lehilahy amin’i Efraima, ka nandeha nankany Sefôra, nanao tamin’i Jefte hoe: «Nahoana no nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna ianao, ka no tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ny tranonao mbamin’ny tenanao».
2
Dia izao no navalin’i Jefte azy ireo: «Mbola nifamaly mafy tamin’ny taranak’i Amôna izaho sy ny vahoakako dia efa niantso anareo aho, nefa tsy namonjy ahy tamin’ny tanany ianareo.
3
Nony hitako fa tsy tonga hamonjy ahy ianareo, dia nanao vy very ny aiko aho, ka nandeha niady tamin’ny taranak’i Amôna, ary natolotr’i Iaveh teo an-tanako ireny. Ka nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hiady amiko?»
4
Dia namory ny lehilahy rehetra amin’i Galaada i Jefte, ka niady tamin’i Efraima. Noresen’ny lehilahin’i Galaada ny an’i Efraima izay efa nilaza nanao hoe: «Ianareo, ry Galaadita, dia mpandositra fotsiny avy amin’i Efraima, ao afovoan’i Efraima sy i Manase».
5
Dia azon’i Galaada ny fitàna an’i Jordany ao amin’ny lafin’i Efraima, ka raha misy mpandositra avy amin’i Efraima manao hoe: «Avelao kely aho mba hita», dia anontanian’ny lehilahin’i Galaada izy hoe: «Efraimita va ianao?»Ary mamaly manao hoe: «Tsia.»
6
Dia hoy izy ireo manao hoe: «Tonòny àry ny hoe: Skibôleta.» Ary izy kosa manao hoe: «Sibôleta», fa tsy hainy tononina tsara izany; dia samboriny sy vonoiny eo anilan’ny fitàna an’i Jordany. Nisy roa arivo sy efatra alina ny lehilahin’i Efraima maty tamin’izany andro izany.
7
Nitsara an’i Israely enin-taona i Jefte; raha efa izany dia maty i Jefte, Galaadita, ka nalevina tao amin’ny anankiray amin’ny tanànan’i Galaada.
8
Ary taorian’izy io dia i Abesàna, avy any Betlehema, no mpitsara tamin’i Israely.
9
Nanan-janaka telopolo lahy izy; ary zanany vavy telopolo no nampanambadiany tany ivelan’ny fianakaviany; ary ny zanany lahy kosa nangalany zazavavy telopolo avy any ivelany. Nandritra ny fito taona izy no mpitsara tany Israely.
10
Raha efa izany dia maty i Abesàna ka nalevina tany Betlehema.
11
Taorian’izy io dia i Ahialôna avy any Zabolôna no mpitsara tamin’i Israely.
12
Raha efa izany dia maty i Ahialôna avy any Zabolôna ka nalevina tao Ajalôna amin’ny tanin’i Zabolôna.
13
Taorian’izy io, dia i Abdôna, zanak’i Ilela, avy any Faratôna, no mpitsara tamin’i Israely.
14
Nanan-janaka efapolo lahy sy zafy telopolo lahy izy, izay nitaingina zanak’ampondra telopolo.
15
Nandritra ny valo taona izy no mpitsara tamin’i Israely.
16
Raha efa izany dia maty i Abdôna zanak’i Ilela, avy ao Faratôna, ka nalevina tao Faratôna amin’ny tanin’i Efraima any amin’ny tendrombohitry ny Amalesita.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
Recommended Reading
Commentary
Judges Commentaries
→
Devotional
Judges Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→