bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Corinthians 13
1 Corinthians 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
1
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny fitenin’ny anjely aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia zary varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny.
2
Na dia manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra aza aho ka hahatakatra ny zava-miafina rehetra sady ho feno ny fahaizana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra ilaina mba hahafindra tendrombohitra aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona ihany.
3
Na dia mizara ny fananako rehetra amin’ny mahantra sy mahafoy ny tenako mba hireharehako aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsy misy mahasoa ahy akory izany.
4
Mahari-po ny fitiavana; be hamoram-po ny fitiavana; tsy mialona ny fitiavana, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora sosotra, tsy manao an-dolompo,
6
tsy mifaly amin’ny tsy rariny ataon’ny olona, fa mifaly amin’ny marina ataon’ny olona.
7
Ny fitiavana no ahazakana ny zavatra rehetra ka ananana finoana sy fanantenana ary fandeferana amin’ny zavatra rehetra.
8
Tsy manam-pahataperana ny fitiavana. Ho foana kosa rahatrizay ny filazana hafatra avy amin’Andriamanitra, hitsahatra ny fitenenana fiteny tsy fantatra, ho foana koa ny fahaizana;
9
satria sombiny no zavatra haintsika, sombiny no hafatr’Andriamanitra voalazantsika.
10
Fa rehefa mby amin’ny tanteraka, dia ho foana ny sombintsombiny.
11
Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; rehefa tonga olondehibe aho, dia nariako avokoa ny fanaon-jaza.
12
Ankehitriny tokoa dia mahita manjavozavo toy ny amin’ny fitaratra isika, fa rahatrizay vao hahita mifanatrika. Ankehitriny dia sombiny no zavatra fantatro, fa rahatrizay aho vao hahafantatra tsara toy ny ahafantaran’Andriamanitra ahy.
13
Izao kosa dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo!
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16