bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Corinthians 8
1 Corinthians 8
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
1
Momba ny hena natao sorona tamin’ny sampy dia izao: Fantatsika fa samy manana fahalalana daholo isika. Saingy ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana kosa mampandroso amin’ny finoana.
2
Raha misy mihevi-tena ho mahalala zavatra, dia mbola tsy mahalala araka izay tokony hahalalany azy akory izy.
3
Fa izay manam-pitiavana an’Andriamanitra kosa dia fantatr’Andriamanitra.
4
Koa azo hanina ve ny hena natao sorona tamin’ny sampy? Fantatsika fa tsinontsinona ny sampy eo amin’izao tontolo izao, ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy ilay Andriamanitra tokana.
5
Na dia misy aza izay atao hoe andriamanitra any an-danitra sy etỳ an-tany – toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro, –
6
amintsika kosa tokana ihany Andriamanitra, dia ny Ray Izy niavian’ny zavatra rehetra sady iafarantsika; ary tokana ihany ny Tompo, dia i Jesoa Kristy Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika.
7
Kanefa tsy ary manana izany fahalalana izany avokoa ny olona. Ny sasany, zatra nanatona ny sampy taloha, dia voarohin’izany mandraka ankehitriny, ka homana ny hena toy ny zavatra natao sorona tamin’ny sampy; osa ny fieritreretany, ka dia voaloton’izany hanina izany.
8
Tsy izay hanina akory no hahasoa na haharatsy antsika eo anatrehan’Andriamanitra: raha tsy homana isika, tsy maty antoka; ary raha homana isika, tsy mahazo tombony.
9
Tandremo anefa ny fahafahanareo sao dia mitarika ny malemy ara-pinoana amin’ny fahotana.
10
Satria raha ianao izay manam-pahalalana no hitan’ny malemy ara-pinoana mihinana ao amin’ny trano fanompoan-tsampy, moa tsy hampirisika azy ao amin’ny fieritreretany koa ve izany hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy?
11
Ka verin’ny fahalalànao ilay malemy ara-pinoana, dia ilay havana izay nahafoizan’i Kristy ny ainy.
12
Raha manota toy izany amin’ny havanareo iray finoana ianareo ka manimba ny fieritreretan’izy ireo mbola osa, dia i Kristy no anotanareo.
13
Koa raha izay hanina àry no hitarika ny havako amin’ny fahotana, dia tsy hihinan-kanina mandrakizay aho mba tsy hitarika ny havako amin’ny fahotana.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16