bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Corinthians 16
1 Corinthians 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
1
Momba ny famoriam-bola atao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra any Jerosalema, dia izao: mba manaova koa ianareo, araka ireo fepetra nasaiko narahin’ny Fiangonana rehetra any Galatia.
2
Isan’alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin’ny fahatongavako.
3
Ary rehefa tonga aho, dia izay olona sitrakareo no hirahiko sy hampombaiko taratasy mba hitondra ny fanomezanareo hankany Jerosalema.
4
Raha ilaina moa ny handehanako any, dia hiara-dia izahay.
5
Hankatỳ aminareo aho rehefa avy niteny an’i Masedônia (fa hitety io faritany io aho).
6
Angamba hitoetra maharitra eo aminareo aho na handany ny ririnina mihitsy aza; ka dia ianareo no hamatsy ahy sy hanatitra ahy any amin’izay toerana tokony halehako.
7
Fa tsy mikasa hitsidika anareo mandalo fotsiny aho, satria manantena hitoetra eo aminareo fotoana maharitraritra raha sitrapon’ny Tompo.
8
Kanefa mbola hijanona eto Efeso aho mandra-piavin’ny Pentekôsta;
9
satria varavarana lehibe no misokatra ho ahy hahazoako miasa tsara eto, na dia maro aza ny mpanohitra.
10
Rehefa tonga i Timôty, dia mba ataovy izay hahatsapany fa tsara fandray azy ianareo; satria miasa tahaka ahy koa izy amin’ny asan’ny Tompo.
11
Aoka mba tsy hisy hanao tsinontsinona azy. Omeo vatsy izy ary atero mba ho tonga soa aman-tsara atỳ amiko, fa miandry azy aho sy ireo havana iray finoana eto.
12
Fa i Apôlao havantsika kosa dia nampirisihiko matetika hankatỳ aminareo miaraka amin’ny havana sasany iray finoana; saingy tsy tiany hatao mihitsy izany ankehitriny, fa ho avy ihany izy rehefa misy hahafahany.
13
Miambena ianareo, mamahara tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.
14
Ataovy amim-pitiavana ny zavatra rehetra.
15
Fantatrareo ry i Stefanasy mianakavy: ireo no kristianina voalohany tany Akaîa sady nanokan-tena hanampy ny vahoakan’Andriamanitra. Mangataka anareo aho, ry havako,
16
mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny mbamin’izay rehetra miara-miasa sy miara-misasatra aminy.
17
Mahafaly ahy ny fahatongavan’i Stefanasy sy i Fôrtnato ary i Akaîko, fa ireo no nahefa ny tsy vitanareo.
18
Sady namelombelona ahy izy telo lahy no namelombelona anareo. Koa mahaiza mankasitraka ny olona tahaka ireny.
19
Manao veloma anareo ireo Fiangonana atỳ amin’ny faritany Azia. Noho isika tafaray amin’ny Tompo, dia manao veloma anareo i Akoilà sy i Prisila mbamin’ny Fiangonana mivory ao an-tranony.
20
Manao veloma anareo ireo havana rehetra iray finoana eto. Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pihavanana.
21
Soratanako izao teny izao: Veloma, hoy i Paoly.
22
Raha misy tsy manam-pitiavana ny Tompo, aoka izy ho voaozona! Maràna tha – Avia, ry Tomponay ô!
23
Homba anareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Tompo!
24
Momba anareo rehetra izay tafaray amin’i Kristy Jesoa ny fitiavako!
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16