bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Timothy 2
1 Timothy 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
1
Hafatrafarako voalohany indrindra àry ny hanaovana fangatahana sy fivavahana ary fitalahoana sy fisaorana amin’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra;
2
mivavaha ho an’ireo filoham-pirenena sy ny manam-pahefana rehetra, mba hiainantsika miadana sy mandry feizay ombàn’ny firaiketam-po tanteraka amin’Andriamanitra sy ny fitondrantena maotina.
3
Izany no tsara sady sitrak’Andriamanitra, Mpamonjy antsika,
4
Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina.
5
Satria iray Andriamanitra, iray koa ny mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olona, dia i Kristy Jesoa Izay olona
6
nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra.
7
Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.
8
Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin’ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.
9
Toraka izany koa ny vehivavy: tiako mba hihaingo maotina tsara sy mahalala onony izy ireo ka hitondra fitafiana mendrika, tsy hanao taovolo mihaitraitra, tsy hirenty volamena na vatosoa na fitafiana sarobidy,
10
fa hiravaka asa soa mifanentana amin’ny vehivavy mankatò ny fivavahana amin’Andriamanitra.
11
Aoka ny vehivavy mba hahay mandray fampianarana amim-panginana ka hanaiky tanteraka.
12
Tsy mamela azy hampianatra aho na hanjakazaka amin’ny lahy, fa tokony hangina:
13
satria i Adama no ary voalohany vao i Eva;
14
tsy mba i Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka sady tonga nandika ny didin’Andriamanitra.
15
Kanefa hovonjena ihany ny vehivavy amin’ny fananan-janaka, raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana ombàn’ny fahononan-tena.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6