bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Timothy 4
1 Timothy 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
1
Lazain’ny Fanahy Masina mazava tsara fa any am-parany any dia hisy olona sasany handao ny finoana; ny hahababo azy dia fanahy mamitaka sy fampianaran-demony
2
izay haelina mpihatsaravelatsihy sy mpilaza lainga. Maty toy ny efa nasiana vy mahamay mihitsy ny eritreritr’ireto mpilaza lainga ireto;
3
raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy.
4
Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra;
5
satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.
6
Raha izany torohevitra izany no arosonao ny havana iray finoana, dia ho mpanompo tsaran’i Kristy Jesoa ianao, ka hiharihary fa mivelona amin’ireo teny momba ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao ianao.
7
Aoka ianao tsy hiraharaha izay angano manazimba fivavahana sady tsy misy fotony. Manazara tena amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra.
8
Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.
9
Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka.
10
Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino.
11
Anafatrafaro sady ampianaro izany zavatra izany.
12
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
13
Mandra-pahatongako, dia mahavara tsara mamaky ny Soratra Masina sy mampirisika ary mampianatra.
14
Aza atao tandrevaka ny fanomezam-pahasoavana ao anatinao, fanomezam-pahasoavana izay natolotra anao fony niteny taminao ny mpilaza hafatr’Andriamanitra ary nametra-tanana taminao ny loholona tafangona.
15
Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.
16
Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6