bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
1 Timothy 3
1 Timothy 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 4 →
1
Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy.
2
Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana;
3
tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;
4
tokony hahay mitondra tsara ny ankohonany, hahataona ny zanany hanaiky azy amim-panajana tanteraka (
5
fa raha misy olona tsy mahay mitondra ny ankohonany, hataony ahoana no fikarakara ny Fiangonan’Andriamanitra?);
6
tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;
7
tokony ho tsara laza amin’ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan’ny fandriky ny devoly.
8
Toy izany koa ireo diakônina: tokony ho olona maotina, tsy miroa teny, tsy lian-divay, tsy maloto fila harena,
9
mitana tsara ny tsiambaratelo nambara momba ny finoana ka mitana izany amin’ny fieritreretana mahitsy.
10
Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina.
11
Tokony ho maotina toy izany koa ny vehivavy, ka tsy ho mpanendrikendrika fa hahafehy tena ary mahatoky amin’ny zavatra rehetra.
12
Aoka ny diakônina tsy hampirafy, ary aoka izy hahay mitondra tsara ny zanany sy ny ankohonany;
13
fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa.
14
Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena fa hankatỳ aminao faingana aza aho.
15
Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.
16
Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’ izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6