bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
John 1
John 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 2 →
1
Tamin’ny voalohany, fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra, dia efa nisy ilay Teny; ilay Teny dia nitodika tany amin’Andriamanitra hatrany, ary ilay Teny dia Andriamanitra.
2
Tamin’ny voalohany, dia nitodika tany amin’Andriamanitra ilay Teny;
3
Izy no naharian’Andriamanitra ny zavatra rehetra, ka raha tsy teo Izy dia tsy nisy ary ny zavatra noarîna.
4
Ilay Teny no nirakitra ny aina, ary io aina io no nitondra fahazavana ho an’ny olombelona.
5
Ary ny fahazavana dia mamirapiratra anatin’ny haizina, ka tsy nahasakana azy ny haizina.
6
Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra: i Jôhany no anarany.
7
Tonga hijoro ho vavolombelona i Jôhany, dia vavolombelona hanambara ilay fahazavana; ka ny hafatra nampitain’i Jôhany no hampino ny olona rehetra.
8
Tsy hoe i Jôhany no fahazavana, fa izy no ho vavolombelona hanambara ny fahazavana.
9
Ilay Teny no tena fahazavana tonga amin’ izao tontolo izao sady manazava ny olombelona rehetra.
10
Teo amin’izao tontolo izao ilay Teny; ary Izy no nahariana an’izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao dia tsy nahalala Azy.
11
Tonga teo amin’ny taniny Izy, fa tsy noraisin’ny mpiray firenena aminy.
12
Kanefa izay rehetra nandray Azy ary nino Azy, dia nomeny fahefana ho tonga zanak’Andriamanitra:
13
izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban’olombelona miankina amin’ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban’Andriamanitra.
14
Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.
15
Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe: –Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»
16
Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra:
17
satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
18
Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanaka lahitokana, Izay Andriamanitra sy miombona tanteraka amin’ny Ray, no efa nanambara Azy.
19
Toy izao no fijoroan’i Jôhany ho vavolombelona. Nisy mpisorona sy levita nirahin’ny manampahefana jiosy avy any Jerosalema hankeo aminy, mba hanontany azy hoe: –Iza moa ianao?
20
Tsy nandà ny hamaly izy fa nilaza mazava hoe: –Tsy izaho no ilay Mesia!
21
Ary nanontany azy ry zareo hoe: –Ahoana àry? I Elià ve ianao? Dia novaliany hoe: –Tsy izy aho! Ka hoy ireo taminy: –Ilay Mpaminany ve ianao? Fa novaliany hoe: –Tsia!
22
Tamin’izay ry zareo dia niteny tamin’i Jôhany hoe: –Iza àry ianao, mba hitondranay valin-teny any amin’izay naniraka anay? Lazainao ho iza ny tenanao!
23
Dia hoy izy: –Izaho no «feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: ahitsio ny lalan’ny Tompo », araka ny tenin’i Isaià mpaminanin’Andriamanitra.
24
Ary nisy avy amin’ny Farisianina ireto olona nirahina teo amin’i Jôhany,
25
ka nanontany azy hoe: –Nahoana àry ianao no manao batisa, raha toa tsy ianao no ilay Mesia na i Elià na ilay Mpaminany?
26
Ka novalian’i Jôhany hoe: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa; fa eo anivonareo misy olona anankiray tsy fantatrareo,
27
dia Ilay tamy aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho!
28
Izany zavatra izany dia niseho tany Betania, andafy atsinanan’ny ony Jôrdàna, teo amin’ny fanaovan’i Jôhany batisa.
29
Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!
30
Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: «Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»
31
Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa mba hampisehoana Azy amin’ny vahoaka Israely no nahatongavako hanao batisa ao amin’ny rano.
32
I Jôhany no vavolombelona nanambara hoe: –Efa hitako ny Fanahy Masina nidina avy any an-danitra toy ny voromahailala, ka nitoetra teo amboniny.
33
Ary izaho dia tsy nahalala Azy; fa Andriamanitra, Izay naniraka ahy hanao batisa ao amin’ny rano, no nilaza tamiko hoe: «Ilay ho hitanao idinan’ny Fanahy Masina sy itoerany eo amboniny, dia Izy no Mpanao batisa ao amin’ny Fanahy Masina.»
34
Ary nahita aho, ka dia vavolombelona manambara fa Izy no Zanak’Andriamanitra.
35
Ny ampitson’iny indray, dia mbola teo ihany i Jôhany sy ny mpianany roa lahy;
36
ary nahatazana an’i Jesoa nandalo i Jôhany ka hoy izy hoe: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra!
37
Nandre an’i Jôhany niteny izany ireto mpianany roa lahy ka lasa nanaraka an’i Jesoa.
38
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy roa lahy nanaraka, dia nanao taminy hoe: –Inona no tadiavinareo izay? Ka novalian’izy roa lahy hoe: –Rabỳ ô, (izany hoe Mpampianatra ô, raha adika), aiza ianao no mitoetra?
39
Dia hoy i Jesoa taminy: –Avia, fa ho hitanareo! Koa dia nandeha izy roa lahy ka nahita izay nitoeran’i Jesoa ary nitoetra teo aminy tamin’io andro io. (Tokony ho tamin’ny efatra tolakandro tamin’izay).
40
I Andrea, rahalahin’i Simôna Petera, no anankiray tamin’izy roa lahy nandre ny tenin’i Jôhany, ka nanaraka an’i Jesoa.
41
Ny nihaonan’i Andrea voalohany dia i Simôna rahalahiny ka nilazany hoe: –Efa hitanay ny Mesia (izany hoe i Kristy na hoe Voahosotra, raha adika)!
42
Dia nentin’i Andrea nankany amin’i Jesoa i Simôna; ary nony nijery azy i Jesoa, dia nanao hoe: –Ianao no Simôna, zanakalahin’i Jônà! Hantsoina hoe Kefasy ianao (izany hoe Petera na hoe Vato, raha adika)!
43
Ny ampitson’iny, dia niroso nankany amin’ny faritany Galilea i Jesoa; tafahaona tamin’i Filipo Izy ary nanao taminy hoe: –Avia hiaraka amiko!
44
I Filipo dia avy any Betsaidà, tanàna fiavian-dry i Andrea sy i Petera.
45
Tafahaona tamin’i Natanaela kosa i Filipo ka niteny taminy hoe: «Efa hitanay Ilay voalazan’i Mosesy tao amin’ny bokin’ny Lalàna sy voalazan’ireo mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Jôsefa, Ilay avy any Nazareta.»
46
Ary hoy i Natanaela taminy: –Moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta? Dia novalian’i Filipo hoe: –Ndao ianao hizaha!
47
Nahita an’i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an’i Natanaela: –Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!
48
Dia hoy i Natanaela taminy: –Ahoana no ahafantaranao ahy? Ka novalian’i Jesoa hoe: –Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambany aviavy ianao!
49
Fa i Natanaela kosa nilaza taminy hoe: –Mpampianatra ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely!
50
Ary novalian’i Jesoa hoe: –Mino ve ianao satria nilazako fa hitako teo ambany aviavy? Zavatra lehibe noho izany no mbola ho hitanao!
51
Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21