bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
John 18
John 18
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
1
Rehefa voalazan’i Jesoa izany, dia lasa Izy mbamin’ny mpianany nandeha nankeny andafin’ny lohasahan-driaka atao hoe Kidrôna; ary nisy saha anankiray teo, izay nidiran’Izy sy ny mpianany.
2
Fantatr’i Jodasy, ilay efa hanolotra Azy, io toerana io satria falehan’i Jesoa mbamin’ny mpianany matetika.
3
Ka nony voarain’i Jodasy ny antoko miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina, dia nankeo amin’ilay toerana izy iray tarika nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
4
Tamin’izay i Jesoa dia efa nahalala izay rehetra hanjo Azy, ka lasa nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe: –Iza no tadiavinareo?
5
Dia novalian’ireo hoe: –I Jesoa avy any Nazareta! Ka hoy i Jesoa taminy: –Izaho no Izy! Teo koa izany i Jodasy ilay manolotra Azy, niaraka tamin-dry zareo.
6
Vao nilazan’i Jesoa ry zareo hoe: «Izaho no Izy», dia nianòtra, ka lavo tamin’ny tany.
7
Dia nanontany azy indray i Jesoa hoe: –Iza no tadiavinareo? Dia novalian’ireo hoe: –I Jesoa avy any Nazareta!
8
Ka hoy i Jesoa: –Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto!
9
Izany dia mba hahatanteraka ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Ray ô, tsy navelako hisy very tamin’ireo nomenao Ahy na dia iray aza.»
10
Ary nanan-tsabatra i Simôna Petera ka nanatsoaka azy; dia namely ny mpanompon’ny mpisorombe izy ary nahafaka ny sofiny havanana (I Malko no anaran’ilay mpanompo.)
11
Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao. Tsy hiaretako ve ny anjara fijaliana nomen’ny Ray Ahy?
12
Tamin’izay ny antoko miaramila sy ny komandy ary ny mpiandry raharaha nirahin’ireo manampahefana jiosy dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy.
13
Tany amin’i Hàna aloha no nitondrany Azy, fa i Hanà no rafozan’i Kaiafa izay mpisorombe tamin’izany taona izany.
14
I Kaiafa kosa no ilay nanome hevitra ireo manampahefana jiosy hoe: «Tsara raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray.»
15
Dia nanaraka an’i Jesoa i Simôna Petera sy mpianatra anankiray hafa. Fantatry ny mpisorombe io mpianatra io, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao an-tokotanin’ny mpisorombe.
16
Fa i Petera kosa nijanona tany alatrano, teo akaikin’ny vavahady. Dia niainga ilay mpianatra izay fantatry ny mpisorombe, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Petera.
17
Fa hoy ity mpiandry vavahady tamin’i Petera: –Ianao koa ve tsy isan’ny mpianatr’iny Lehilahy iny? Dia novaliany hoe: –Tsia, tsy anisany aho!
18
Namelona afon’arina ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha ka nipetraka namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary dia mba nijanona niara-namindro taminy koa i Petera.
19
Tamin’izay i Hàna mpisorombe dia nanadina an’i Jesoa momba ny mpianany sy ny fampianarany,
20
ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho dia niteny an-karihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho dia nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy teo an- kianjan’ny tempoly izay ivorian’ny Jiosy rehetra fa tsy niteny na inona na inona an-takona.
21
Ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy anontaniana izay noteneniko taminy, fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
22
Rehefa nilaza izany i Jesoa, dia nisy anankiray tamin’ny mpiandry raharaha teo namely tahamaina Azy sady nanao hoe: –Izany ve no famalinao ny mpisorombe?
23
Fa hoy i Jesoa namaly azy: –Raha ratsy ny teniko, lazao ny maha ratsy azy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
24
Tamin’izay i Jesoa dia nasain’i Hàna nentina am-patorana ho any amin’i Kaiafa mpisorombe.
25
I Simôna Petera kosa mbola nijanona namindro teo, ka nisy nilaza taminy hoe: –Ianao koa ve tsy isan’ny mpianatr ’iny Lehilahy iny? Fa nandà izy nanao hoe: –Tsia, tsy anisany aho!
26
Dia hoy ny anankiray tamin’ireo mpanompon’ny mpisorombe, havan’ilay nokapain’i Petera ny sofiny: –Tsy efa hitako niaraka taminy tao anaty saha ve ianao?
27
Fa nandà indray i Petera; ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno.
28
Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.
29
Koa dia i Pilato no nivoaka nanatona azy teo alatrano ka nanao hoe: –Inona no iampanganareo io Lehilahy io?
30
Dia novalian’ireo hoe: –Raha toa mpanao ratsy Izy, dia tsy ho natolotray anao!
31
Ka hoy i Pilato taminy: –Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànanareo. Fa hoy ny Jiosy taminy: –Tsy manam-pahefana hahafaty olona izahay.
32
Izany dia mba hahatanteraka ny teny nolazain’i Jesoa nanambara ny karazam-pahafatesana efa hanjo Azy.
33
Tamin’izay dia niditra tao an-dapa indray i Pilato, ary niantso an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?
34
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao samirery izany teny izany sa nisy olon-kafa nilaza Ahy taminao?
35
I Pilato kosa niteny hoe: –Fa izaho angaha Jiosy? Ireo olona iray firenena aminao sy ireo lohandoha-mpisorona no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
36
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anisan’ izao tontolo izao ny Fanjakàko; fa raha an’izao tontolo izao ny Fanjakàko, dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny manampahefana jiosy Aho; kanefa tsy anisan’izao etỳ izao ny Fanjakàko.
37
Ary hoy i Pilato taminy: –Koa Mpanjaka izany Ianao? I Jesoa kosa namaly hoe: –Voalazanao fa Mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako ary izao no niaviako eto amin’izao tontolo izao: dia ny ho vavolombelona hanambara ny marina. Izay rehetra mpiandany amin’ny marina dia mihaino ny feoko.
38
Dia hoy i Pilato taminy: –Inona no marina? Avy nanontany izany i Pilato, dia nivoaka nankeo amin’ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: –Izaho dia tsy mahita izay helony, na dia iray aza!
39
Saingy fanao mahazatra anareo ny andefasako olo-meloka anankiray ho anareo, amin’ny fankalazana ny Paska; koa sitrakareo ve raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ny Jiosy?
40
Dia niantsoantso indray izy rehetra nanao hoe: –Tsy ilay io, fa i Barabasy! Kanefa jiolahy i Barabasy.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21