bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
John 13
John 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
1
Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin’izay. Fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin’ izao tontolo izao ho any amin’ny Ray. Efa notiavin’i Jesoa ireo Azy teo amin’izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin’ny farany.
2
Teo am-pisakafoana hariva tamin’izay i Jesoa mbamin’ny mpianany; ary efa nomen’ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an’i Jesoa.
3
Fantatr’i Jesoa rahateo fa efa napetraky ny Ray eo an-tanany avokoa ny zavatra rehetra, sady fantany fa Andriamanitra no niaviany ary Andriamanitra no hiverenany.
4
Koa nitsangana niala teo am-pihinanana Izy, dia nametraka ny lambany, ary naka lamba famaohana ka nisikinany.
5
Avy eo Izy dia nampidina rano tamina koveta, ary nanomboka nanasa ny tongotr’ireo mpianany sy namaoka izany tamin’ny lamba nisikinany.
6
Dia tonga teo amin’i Simôna Petera Izy; fa hoy i Petera taminy: –Ianao ve, ry Tompo, hanasa ny tongotro?
7
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izay ataoko dia tsy azonao ankehitriny, fa ho azonao any aoriana.
8
Fa hoy i Petera taminy: –Sanatria, tsy hanasa ny tongotro na oviana na oviana Ianao! I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Raha tsy hosasako ianao, dia tsy hanana anjara amiko.
9
Dia hoy i Simôna Petera taminy: –Raha izany, ry Tompo, dia tsy ny tongotro fotsiny fa ny tanako sy ny lohako ihany koa.
10
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izay efa nandro tsy mila hosasana afa-tsy ny tongony ihany, fa efa madio ny tenany manontolo. Ianareo koa dia madio, nefa tsy ianareo rehetra.
11
(Fantatr’i Jesoa manko ilay efa hanolotra Azy; ka izany no nilazany hoe: «Tsy ianareo rehetra no madio.»)
12
Rehefa voasasan’i Jesoa ny tongotr’ireo mpianany, dia nandray ny lambany Izy ary nipetraka indray; ka hoy Izy tamin’ny mpianany: –Azonareo ve izay nataoko taminareo?
13
Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo, ary marina ny filàzanareo fa izany tokoa Aho.
14
Koa raha Izaho Tompo sy Mpampianatra aza no manasa ny tongotrareo, ianareo samy ianareo koa dia mba tokony hifanasa tongotra.
15
Eny, nomeko fianarana ianareo mba hanaovanareo toy ny nataoko taminareo.
16
Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony ary ny iraka tsy lehibe noho ilay naniraka azy.
17
Raha azonareo izany, dia sambatra ianareo raha manao izany.
18
Tsy ho anareo rehetra no itenenako, satria fantatro izay nofidiko; kanefa aoka ho tanteraka ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Ilay miara-mihina-mofo amiko no nanainga ny ombalahin-tongony hamely Ahy.»
19
Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan’ny hahatongavan’izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.»
20
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mandray ny hirahiko dia mandray Ahy, ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.
21
Avy nilaza izany i Jesoa, dia nitebiteby ny fanahiny; ary nanambara Izy nanao hoe: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ny anankiray aminareo no hanolotra Ahy!
22
Dia nifampijerijery ny mpianatra fa very hevitra ny amin’izay iray nolazainy.
23
Ary nipetraka nihinana teo anilan’i Jesoa ny anankiray tamin’ireo mpianatra, dia ilay tian’i Jesoa;
24
ka nohatsihin’i Petera io mpianatra io mba hamototra amin’i Jesoa hoe: Iza izay lazainao izay?
25
Dia nirona teo amin’ny tratran’i Jesoa ilay mpianatra ka nanontany Azy hoe: –Iza moa izany, ry Tompo?
26
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Ilay homeko ny sombi-mofo izay hatsoboko anaty ro! Tamin’izay dia noraisin’i Jesoa ilay sombi-mofo natsobony tanaty ro, ka nomeny an’i Jodasy.
27
Vao nomena ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nidiran’i Satàna; ka hoy i Jesoa taminy: –Ataovy faingana izay tianao hatao!
28
Tamin’ireo nipetraka nihinana dia tsy nisy nahalala izay anton’ny nilazan’i Jesoa izany tamin’i Jodasy.
29
Fa noho i Jodasy nitana ny kitapom-bola, dia nataon’ny sasany fa izao no voalazan’i Jesoa taminy: vidio ny zavatra ilaintsika amin’ny fankalazana ny Paska, na mba omeo zavatra ny mahantra.
30
Vao nandray ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nivoaka ny trano niaraka tamin’izay; ary efa alina ny andro.
31
Nony efa nivoaka ny trano i Jodasy, dia hoy i Jesoa: –Ankehitriny dia efa omem-boninahitra ny Zanak’olona, ary Andriamanitra no omem-boninahitra eo aminy.
32
Raha Andriamanitra no omem-boninahitra eo amin’ny Zanak’olona, dia Andriamanitra koa no hanome voninahitra Azy eo amin’ny tenany ary hanome voninahitra azy raha afaka kelikely.
33
Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: «Izay alehako tsy azonareo aleha », no lazaiko aminareo koa ankehitriny.
34
Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo koa.
35
Ny hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.
36
Hoy i Simôna Petera tamin’i Jesoa: –Ho aiza Ianao, ry Tompo? Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izay alehako, dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny, fa any aoriana vao hanaraka Ahy ianao!
37
Ka hoy i Petera taminy: –Ahoana, ry Tompo, no tsy ahazoako manaraka Anao ankehitriny? Na ny aiko aza dia hafoiko ho Anao.
38
I Jesoa kosa namaly hoe: –Ny ainao hoe hafoinao ho Ahy? Lazaiko marina dia marina aminao fa alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21