bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Mark 14
Mark 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
1
Indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska sy ny azima, dia nitady izay hisamborana an’i Jesoa am-pitaka ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna hamonoany Azy.
2
Nefa hoy ry zareo: –Aoka tsy ho amin’ny andro fankalazana, fandrao hitabataba ny vahoaka.
3
Tany Betania i Jesoa tamin’izay ary tao an-tranon’i Simôna mpivarotra bakoly. Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia tonga ity vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy atao hoe narda. Dia novakîn-dravehivavy ny tavoahangy ka naidiny tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.
4
Ary nisy sasany tezitra ka nifampilaza hoe: –Nahoana no dia lanîna foana tahaka izao ity ilomanitra?
5
Azo namidy denàry telonjato mahery iny ka omena ny mahantra ny vidiny! Dia nolevileven-dry zareo ravehivavy.
6
Fa hoy i Jesoa: –Avelao izy! Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo azy? Asa soa iny nataony tamiko iny.
7
Ny mahantra moa misy eto aminareo mandrakariva, ka azonareo asiana soa amin’izay fotoana tianareo; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.
8
Nanao izay azony natao izy nanosotra ilomanitra ny tenako dieny mialoha mba hamboarany Ahy halevina.
9
Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambarana ny Vaovao Mahafaly, dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.
10
Fa i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny 12 lahy, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona mba hanolotra an’i Jesoa hovonoina.
11
Faly ry zareo nandre izany, ka nanaiky hanome vola an’i Jodasy; ary dia notadiavin’i Jodasy izay fotoana mety hanolorany an’i Jesoa.
12
Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, izay andro famonoana ny zanak’ondry ho an’ny sakafo Paska, dia hoy ny mpianany tamin’i Jesoa: –Aiza no tianao hanomananay ho Anao ny sakafo Paska?
13
Dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Mandehana mankany an-tanàna, fa hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo, dia iny arahina;
14
ary ilazao ny tompon’izay trano hidirany hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: aiza, hono, izay efitrano hiarahako mihinana ny sakafo Paska amin’ny mpianatro?»
15
Dia hotoroany efitrano ambony rihana ianareo, efitrano malalaka sy ary fomba sady voavoatra tsara; ka ao ny sakafontsika no omàny.
16
Dia nandeha izy roa lahy ka tonga tany an-tanàna, ary nahita ny toe-javatra araka izay voalazan’i Jesoa taminy sy nanomana ny sakafo Paska.
17
Nony hariva ny andro, dia tonga i Jesoa mbamin’ny 12 lahy.
18
Dia nipetraka hihinana izy rehetra, ka iny teo am-pisakafoana iny dia hoy i Jesoa: –Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo; dia ilay miara-mihinana amiko.
19
Nalahelo ny mpianatra ka nanomboka niteny tsirairay tamin’i Jesoa hoe: –Tsy izaho manko izany!
20
Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny anankiray aminareo 12 lahy, ilay miara-manatsoboka mofo amiko ao anaty lovia, no izy!
21
Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy; mampalahelo anefa ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany.
22
Raha mbola teo am-pisakafoana iny i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Raiso fa ny tenako ity!
23
Avy eo nandray kalisy i Jesoa, ary nisaorany an’Andriamanitra izany ka nomeny ny mpianany sy nisotroan’izy rehetra;
24
dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro.
25
Lazaiko marina aminareo fa tsy hisotro divay intsony Aho mandra-pahatongan’ilay andro hisotroako ny divay vaovao any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
26
Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva.
27
Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Handao Ahy avokoa ianareo rehetra, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina; «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry.»
28
Kanefa rehefa tafatsangana velona Aho, dia hialoha anareo any Galilea.
29
Fa novalian’i Petera hoe: –Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao.
30
Ary hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina aminao fa anio dia anio ihany, raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.
31
Fa vao mainka koa nanamafy ny teniny i Petera nanao hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao. Ary dia samy nilaza toy izany avokoa ny mpianatra rehetra.
32
Dia tonga tany amin’ny saha atao hoe Getsemane i Jesoa mbamin’ireo mpianany, ka hoy i Jesoa taminy: –Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako!
33
Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa
34
ka niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miareta tory.
35
Dia nandroso kely i Jesoa ary niankohoka tamin’ny tany, ka nivavaka mba hialan’izany ora fijaliana izany aminy raha azo atao;
36
ary hoy Izy: –Raiko ô, vitanao ny zavatra rehetra; esory lavitra ahy izao fijaliana izao, kanefa tsy hoe izay sitrapoko, fa izay sitraponao!
37
Dia niverina nankeo amin’izy telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Matory ve ianao, ry Simôna? Tsy nahari-tory adiny iray akory ve ianao?
38
Miareta tory ianareo ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona fa ny nofo no malemy.
39
Dia nihataka indray i Jesoa ary namerina ny vavaka nataony teo.
40
Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy Izy, dia mbola nahita azy natory, fa efa navesatra ny masony ka tsy hitany izay havaly an’i Jesoa.
41
Ary niverina fanintelony teo amin’izy telo lahy Izy dia nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Ampy izay! Tonga ny fotoanandro: indro efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!
42
Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!
43
Ary niaraka tamin’izay, raha mbola miteny eo i Jesoa, dia tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary andian’olona nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, no tafaraka taminy.
44
Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana an-dry zareo hoe: «Izay horohako no Izy ka sambory, dia ento ka ambeno tsara.»
45
Vao tonga i Jodasy, dia nanatona an’i Jesoa avy hatrany ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô! Dia nanoroka Azy i Jodasy.
46
Nohazonin’ireo iraka tamin’izay i Jesoa ary nosamboriny.
47
Nanatsoaka sabatra kosa ny anankiray tamin’ny olona teo anilan’i Jesoa, dia namely an’ilay mpanompon’ny mpisorombe, ka nahafaka ny sofiny.
48
Fa hoy i Jesoa tamin’ireo iraka: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy!
49
Teo aminareo isan’andro aho ary nampianatra tao an- kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo. Eny àry, fa dia aoka ho tanteraka ny Soratra Masina!
50
Dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.
51
Ary nisy zatovolahy iray nanaraka an’i Jesoa, tsy nanana afa-tsy akanjo manolo-koditra. Nosamborin’ny olona koa izy;
52
fa nafoin’ilay zatovo ny akanjony ka lasa izy nandositra niboridana.
53
Nentina tao an-tranon’ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalàna.
54
Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin’ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan’ny afo.
55
Nokarohin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana ambony teo amin’ny Jiosy izay mety hiampangana an’i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo.
56
Eny, maro ireo niampanga lainga an’i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony.
57
Dia nisy nitsangana niampanga lainga an’i Jesoa toy izao:
58
–Renay ilay io nanao hoe: «Horavako ity tempoly nataon-tanan’olombelona ity, ary ao anatin’ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan’olombelona Aho.»
59
Fa tsy nifanaraka akory ny filàzan’ireo mpiampanga na dia tamin’izany aza.
60
Dia nitsangana nankeo afovoan’ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an’i Jesoa hoe: –Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao?
61
Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: –Ianao ve no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?
62
Ka novalian’i Jesoa hoe: –Izaho no Izy, ary «ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery» ary koa «tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.»
63
Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: –Inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga?
64
Renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin’izany? Dia samy nanameloka an’i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.
65
Tamin’ny olona teo dia nisy sasany nandrora an’i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry Azy sady nanao taminy hoe: –Vinanio hoe! Dia nalain’ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian’ireo tahamaina.
66
Raha mbola tao ambany tao an-tokotany i Petera, dia avy ny anankiray tamin’ireo vehivavy mpiasan’ny mpisorombe.
67
Nahita an’i Petera namindro teo ravehivavy, dia nijery azy tsara ka nanao hoe: –Ianao koa niaraka tamin’ilay Jesoa avy any Nazareta iny?
68
Fa nandà i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.
69
Fa nahatazana an’i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: –Anisan’ireny koa io rangahy io!
70
Fa mbola nandà indray i Petera. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo amin’i Petera: –Tena anisan’ireny tokoa ianao sady Galileanina rahateo.
71
Fa niozona sy nianiana i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72
Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16