bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Mark 16
Mark 16
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
1
Rehefa tapitra ny andro sabata, dia lasa i Maria ilay avy any Magdalà sy i Salôme ary i Maria renin’i Jôsèta nividy zava-manitra, fa nikasa handeha hanosotra an’i Jesoa.
2
Ka ny andro alahady vao maraina be, raha iny niposaka iny ny masoandro, dia nankany amin’ny fasana izy telo vavy
3
ary nifampilaza hoe: –Iza no hasaintsika hanakodia ny vato avy eo amin’ny vavafasana?
4
Kanjo nony nitraka izy telo vavy, dia tazany ny vato satria goavambe ary hitany efa voakodia.
5
Dia niditra tao am-pasana izy telo vavy ka raiki-tahotra nahita tovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana.
6
Fa hoy ilay tovolahy taminy: –Aoka izay ny tahotra. Mitady an’i Jesoa avy any Nazareta, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, ianareo; efa nitsangana velona Izy ka tsy eto intsony. Jereo fa teo ny toerana nametrahana Azy.
7
Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Petera hoe: «Mialoha lalana anareo any Galilea, hono, Izy; any no hahitanareo Azy, araka ny voalazany taminareo.»
8
Dia nivoaka ny fasana izy telo vavy, ka lasa nandositra niala teo fa tora-kovitra sady talanjona; nefa tsy nilaza na inona na inona tamin’olona, satria natahotra. [
9
Rehefa nitsangana velona i Jesoa ny alahady vao maraina be, dia tamin’i Maria avy any Magdalà, ilay nandroahany demony fito, no nisehoany voalohany.
10
Io indray lasa nitantara tamin’ireo mpomba an’i Jesoa, izay mbola nisaona sy nitomany.
11
Ireo anefa, nony nandre ny voalazan-dravehivavy fa hoe velona i Jesoa ary hitany, dia tsy nino.
12
Taorian’izany, dia roa lahy tamin’ireo mpianatra no nisehoan’i Jesoa tamin’ny fomba hafa indray, raha ilay nandeha nankany ambanivohitra iny izy roa lahy.
13
Ireo koa niverin-dalana nitantara tamin’ny namany; fa na dia ireo aza tsy ninoany koa.
14
Ary farany dia izy 11 lahy teo am-pisakafoana no nisehoan’i Jesoa, ka nomeny tsiny noho izy malain-kino sy mafy fo satria tsy nety nino ireo nahita Azy efa tafatsangana velona.
15
Dia hoy koa i Jesoa taminy: –Mandehana eran’izao tontolo izao, torio amin’ny olombelona rehetra ny Vaovao Mahafaly.
16
Izay hino ka hatao batisa, dia ho voavonjy; fa izay tsy hino, dia hohelohina.
17
Ary ireto no famantarana homba izay mino: handroaka demony amin’ny anarako izy; hiteny amin’ny fiteny vaovao;
18
handray menarana sy hisotro poizina mahafaty, nefa tsy haninon-tsy haninona; ary hametra-tanana amin’ny marary, dia ho sitrana ireny.
19
Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin’ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.
20
Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin’ny alalan’ny famantarana nampombany azy.]
21
[ Kanefa ny zavatra rehetra nanafarana azy telo vavy dia notantarainy fohifohy tamin’i Petera sy ny namany.
22
Ary taorian’izany, dia i Jesoa mihitsy no naniraka ny mpianany, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, hitory ilay hafatra masina tsy tontan’ny ela, dia ny famonjena maharitra mandrakizay. Amen.]
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16