bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Mark 15
Mark 15
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
1
Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato.
2
Dia nanontany an’i Jesoa i Pilato hoe: –Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy? Fa novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany!
3
Ary nisy zavatra maro niampangan’ireo lohandoha-mpisorona Azy;
4
ka nanontany Azy indray i Pilato nanao hoe: –Tsy mamaly akory ve Ianao? He ireto zavatra maro iampangany Anao!
5
Fa tsy namaly na inona na inona intsony i Jesoa, ka gaga i Pilato.
6
Isaky ny fankalazana ny Paska dia fombàn’i Pilato ny mandefa mpigadra anankiray, izay angatahin’ny olona.
7
Ary nisy lehilahy atao hoe Barabasy, niara-nigadra tamin’ireo mpikomy nahafaty olona tamin’ny fikomiana nataony.
8
Dia niakatra ny vahoaka, nangataka an’i Pilato hanao araka ny fanaony aminy.
9
Fa novalian’i Pilato hoe: –Tianareo ve raha ny Mpanjakan’ny Jiosy no alefako ho anareo?
10
Fantatr’i Pilato manko fa fialonana no nanoloran’ireo lohandoha-mpisorona an’i Jesoa,
11
kanefa nampirisihin’ireo lohandoha-mpisorona ny vahoaka hangataka ny handefasana an’i Barabasy toy izay i Jesoa.
12
Ary dia niteny tamin’ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: –Inona àry no tianareo hataoko an’Ilay antsoinareo hoe Mpanjakan’ny Jiosy?
13
Fa hoy indray ny antsoantson’ny vahoaka hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana ilay iny!
14
Dia hoy i Pilato tamin’ny vahoaka: –Fa inona àry no ratsy nataony? Fa vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Homboy amin’ny hazofijaliana ilay iny!
15
Te hanome fahafaham-po ny vahoaka i Pilato, ka dia i Barabasy no nalefany ho azy; fa i Jesoa kosa nasainy nokapohina sy natolony hohomboana amin’ny hazofijaliana.
16
Nentin’ireo miaramila teo an-tokotany i Jesoa, izany hoe tao amin’ny lapan’ny governora, ary nantsoiny hankeo ny miaramila tarika iray manontolo.
17
Dia nampitafîn-dry zareo lamba jaky Izy ary nasiany fehiloha tsilo norandranina ny lohany,
18
dia noarahabainy Izy hoe: –Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!
19
Ary nokapohiny tamin’ny volotara ny lohany sady nororany Izy, dia nandohalihany sy niankohofany teo anatrehany.
20
Rehefa avy nanao Azy toy izany ry zareo, dia nesoriny ilay lamba jaky teny aminy ary nampanaoviny Azy indray ny akanjony; dia nentiny nivoaka ny lapa Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.
21
Sendra nandalo avy any an-tsaha ity olona atao hoe Simôna, lehilahy sireneanina, rain-dry i Aleksandra sy i Rofosy, ka noteren’ireo miaramila hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.
22
Tao amin’ny toerana atao hoe Gôlgôtà, izay midika hoe toerana sahala amin’ny karandoha, no nitondrany an’i Jesoa.
23
Nomeny divay mifangaro miora i Jesoa fa tsy nety nisotro.
24
Dia nohomboany tamin’ny hazofijaliana Izy; ary nifampizarany ny fitafiany, ka nanaovany loka hahitana izay anjaran’ny tsirairay.
25
Tamin’ny sivy maraina no nanomboana an’i Jesoa tamin’ny hazofijaliana.
26
Ary ny soratra napetraka hilaza ny nanamelohana Azy dia ny hoe: «Mpanjakan’ny Jiosy».
27
Nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany. [
28
Koa tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Natao ho isan’ny mpanao ratsy Izy.»]
29
Dia nanevateva an’i Jesoa ny mpandalo sady nanifikifi-doha ka nanao hoe: –Sakoizay, ry Ilay hoe mandrava ny tempolin’Andriamanitra ary manangana azy ao anatin’ny telo andro!
30
Vonjeo ny tenanao, ka midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!
31
Naneso Azy toy izany koa ireo lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna ka nifampilaza hoe: –Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena!
32
Aoka ilay Mesia, Mpanjakan’i Israely, hidina avy eo amin’ny hazofijaliana ankehitriny, mba ho hitantsika ka hinoantsika! Dia naneso an’i Jesoa koa ireo niara-nohomboana taminy.
33
Tamin’ny mitataovovonana, dia rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany.
34
Ary tamin’ny telo tolakandro i Jesoa dia niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: –Elôỳ, Elôỳ, lemà sabaktàny? (izany hoe raha adika: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)
35
Ny sasany tamin’ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe: –Indro fa niantso an’i Elià ny anao!
36
Tamin’izay dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatsoboka spaonjy tao anaty vinaingitra; dia notohiziny volotara ilay spaonjy ka natohony an’i Jesoa mba hotsentsefiny, sady hoy izy: –Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hampidina Azy tokoa i Elià!
37
Fa i Jesoa kosa niantso tamin’ny feo mahery, dia niala aina.
38
Ary nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina.
39
Fa ilay kapiteny nijoro tandrifin’i Jesoa, raha nahita Azy niala aina toy izany, dia loa-bolana hoe: –Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!
40
Nisy vehivavy maromaro koa nitazana avy eny lavidavitra teny ka anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Salôme ary i Maria renin-dry i Jakôba kely sy i Jôsèta mirahalahy.
41
Niaraka tamin’i Jesoa tany Galilea ireo vehivavy ireo, nanampy Azy tamin’izay nilainy; ary nisy vehivavy maro hafa koa izay niara-niakatra tamin’i Jesoa tany Jerosalema.
42
Efa hariva ny andro no tonga i Jôsefa avy any amin’ny tanàna atao hoe Harimatia. Lehilahy manan-kaja tao amin’ny Fitsarana ambony izy sady fatra-piandry ny Fanjakàn’Andriamanitra. Andro fiomanana tamin’io, izany hoe andro mialoha ny sabata; koa lasa i Jôsefa niditra tamim-pahasahiana tao an-tranon’i Pilato ary nangataka ny vatan’i Jesoa.
44
Fa gaga i Pilato raha hoe maty sahady i Jesoa, ka dia nampiantso ny kapiteny ary nanontany azy raha efa ela no nahafatesany.
45
Nony reny ny filàzan’ilay kapiteny, dia navelany homena an’i Jôsefa ny faty.
46
Dia nividy lamba sarobidy i Jôsefa, ary nampidininy avy teo amin’ny hazofijaliana ny vatan’i Jesoa ka nofonosiny lamba sarobidy ary napetrany tao amin’ny fasana nolavahana tamin’ny vatolampy; dia nanakodiavany vato teo amin’ny vavafasana.
47
Ary nataon’i Maria avy any Magdalà sy i Maria renin’i Jôsèta tsara jery ny toerana nametrahan’i Jôsefa an’i Jesoa.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16